+ -

عَنْ جَابِرِ بْنِ عَبْدِ اللهِ رضي الله عنهما أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«اتَّقُوا الظُّلْمَ، فَإِنَّ الظُّلْمَ ظُلُمَاتٌ يَوْمَ الْقِيَامَةِ، وَاتَّقُوا الشُّحَّ، فَإِنَّ الشُّحَّ أَهْلَكَ مَنْ كَانَ قَبْلَكُمْ، حَمَلَهُمْ عَلَى أَنْ سَفَكُوا دِمَاءَهُمْ وَاسْتَحَلُّوا مَحَارِمَهُمْ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2578]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Jabir bin Abdollah (R.A), niteny nyMpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tandremonareo ny tsy rariny, fa ny tsy rariny dia ho maizina amin'ny andro farany, ary tandremo ny fahirana, satria ny fahirana no naharendrika ireo talohanareo, ka nahatonga azy ireo nandatsa-drà ary nampa-ara-dàlana ny zava-boarara".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Nampitandrina ny amin'ny tsy rariny ny Mpaminany (S.A.W), anisan'izany ny : tsy rariny amin'ny olona, ​​tsy rariny amin'ny tena, ary ny tsy rariny amin'ny zon'I Allah Tsitoha. Izany dia ny fialana amin’ny fanomezana ny tsirairay ny zony, ary ny tsy rariny dia haizina ho an'ny mpanao azy amin'ny andro farany, noho ny fisian’ny fahasahiranana sy ny horohoro, Noraràny ny fahirana, izay fahirana diso tafahoatra miampy fitandrovana fatratra ny harena, ao anatin'izany ny tsy fahazotoana amin'ny fanatanterahana ny zo ara-bola sy ny fiahiahiana fatratra amin'ny fiainana eto an-tany, Io karazana tsy rariny io dia naha rendrika ireo vahoaka teo alohantsika, satria nanery azy ireo hifamono sy hamela izay noraran’Allah.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fanomezana harena sy fampiononana ny rahalahy no anisan’ny mahatonga ny fifankatiavana sy ny fifandraisana.
  2. Ny fahirana sy ny fanaovana izany diso tafahoatra dia mitarika ho amin’ny fahotana sy ny fahalotoam-pitondrantena ary ny fahadisona.
  3. Fakana lesona amin'ny toe-javatra niainan'ireo vahoaka teo aloha.