+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«أَكْمَلُ الْمُؤْمِنِينَ إِيمَانًا أَحْسَنُهُمْ خُلُقًا، وَخَيْرُكُمْ خَيْرُكُمْ لِنِسَائِهِمْ».

[حسن] - [رواه أبو داود والترمذي وأحمد] - [سنن الترمذي: 1162]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny". tsara indrindra amin'ny vadiny."

[Tsara] - [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad] - [Sonan At-Tirmizì - 1162]

Ny fanazavana

Milaza i Mpaminany (S.A.W) fa ny olona manampinoana feno indrindra dia izay manana toetra tsara indrindra, ary izany dia tazana amin'ny endrika madio, miezaka manao asa tsara, miteny tsara ary mihataka ny ratsy.
Ny tsara indrindra amin’ireo mpino dia izay mendrika manoloana ireo vehivavy, toy ny vadiny, ny zanany vavy, ny anabaviny ary ny havany vehivavy. Satria izy ireo no tena mendrika hanehoana ny hatsarampanahy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fahasoavan'ny fitondran-tena tsara ary tafiditra ho anisan'ny finoana izany.
  2. Mifototra amin’ny finoana ny asa, ary ny finoana dia mitombo sy mihena.
  3. Fanomezam-boninahitra ny vehivavy eo amin'ny finoana Islam ary famporisina ny fanaova,-tsoa amin'izy ireo.