+ -

عن عبد الله بن عمرو رضي الله عنهما أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«الدُّنْيَا مَتَاعٌ، وَخَيْرُ مَتَاعِ الدُّنْيَا الْمَرْأَةُ الصَّالِحَةُ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 1467]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Fifaliana ny fiainana eto an-tany, ary ny fahafinaretana tsara indrindra eto an-tany dia ny vehivavy hendry.”

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Milaza amintsika i Mpaminany (S.A.W) fa izao tontolo izao sy izay rehetra ao anatiny dia zavatra ankafizin'ny olona mandritra ny fotoana fohy iainany avy eo dia miala, fa ny tena mahafinaritra indrindra dia ny fahazoanao vady hendry, izay rehefa jerenao izy dia mahafaly anao, ary raha nodidinao dia mankatò, ary raha tsy eo ianao, dia miaro anao sy ny fanànanao izy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Azo atao ny misitraka ny zava-tsoa eto amin’izao tontolo izao izay nataon'Allah ho ara-dalàna amin’ny mpanompony tsy misy fihoaram-pefy na fandanindaniam-poana.
  2. Famporisihana amin'ny fisafidiana vady tsara; Satria manampy ny lehilahy hankatò ny Tompony izany.
  3. Ny fahafinaretana tsara indrindra eto an-tany dia izao ao anatin'ny fankatoavana an'Allah na fanampiana amin’izany.