+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِنَّ الدِّينَ يُسْرٌ، وَلَنْ يُشَادَّ الدِّينَ أَحَدٌ إِلَّا غَلَبَهُ، فَسَدِّدُوا وَقَارِبُوا، وَأَبْشِرُوا، وَاسْتَعِينُوا بِالْغَدْوَةِ وَالرَّوْحَةِ وَشَيْءٍ مِنَ الدُّلْجَةِ».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 39]
المزيــد ...

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ny finoana dia mora, ary izay manenjana ny finoana dia ho resiny, koa avereno izany, ary manatòna, manaova teny mahafaly, ary mitadiava fanampiana amin’ny maraina sy amin’ny atoandro, ary amin'ny alina".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 39]

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny finoana silamo dia mifototra amin'ny fanamorana sy fahatsoarana ny raharaha rehetra, ary manamafy ny fanamorana rehefa misy antony mahatonga ny tsy fahafahana sy ny filana, ary ny fidirana lalina amin'ny asa ara-pinoana sy ny fialana amin’ny fahatsoram-po ny fiafaran'izany dia tsy fahafahana sy ny fampitsaharana ny asa rehetra na ampahany. 460 Avy eo namporisika ny Mpaminany (S.A.W) fanaovana zavatra antoniny tsy misy fanitarana; ka ny mpanompo dia tsy tokony hanao latsaka amin’izay nandidiana azy, ary tsy tokony hizaka izay tsy zakany, ka raha tsy mahavita ny asa feno; dia manao ny asa izay vitany araka izay azo atao.
Nanome vaovao tsara ny Mpaminany (S.A.W) momba ny valisoa lehibe ho an’ny asa maharitra, na dia kely aza izany, ho an’ireo izay tsy afaka miasa amin’ny fomba feno. Satria raha tsy sitram-pony ny tsy fahavitany, dia tsy manery ny fahabangan'ny valisoany izany.
Koa satria ny fiainana eto an-tany raha ny marina dia toerana fandalovana sy fifindrana mankany amin'ny fiainana any ankoatra, nandidy ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny fitadiavana vonjy mba hitohizan'ny fanompoam-pivavahana amin'ny fametrahana izany amin'ny fotoana telo :
Ny voalohany : maraina: mandeha amin'ny fiandohan'ny andro; Eo anelanelan'ny vavaka maraina sy ny fiposahan'ny masoandro.
Faharoa : Raoha : fandehana aorian'ny mitataovovonana.
Fahatelo : Ny fahalalahana : fandehanana amin’ny alina manontolo na amin’ny ampahany, ary satria sarotra kokoa noho ny an’ny andro ny asan’ny alina, dia nandidy ny sasany tamin’izany izy ka nanao hoe : ary ny sasany kosa mihalalina.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia saohilia Tamily Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Romaniana Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahamorana sy ny fahatsaran'ny lalàna silamika ary ny fanaovana zavatra amin'ny antonony eo anelanelan'ny tafahoatra sy ny tsy fitandremana.
  2. Ny mpanompo dia tsy maintsy manatanteraka ny raharaha araka izay azony atao, tsy anatin'ny tsy firaharahana na fanenjanana.
  3. Ny mpanompo dia tokony hisafidy ny fotoana mampavitrika azy hanao ny fanompoana, ary ireo fotoana telo ireo no fotoana tsara indrindra anaovan’ny vatana fanompoam-pivavahana.
  4. Nilaza Ibn Hajar Al-Askalani : Toy ny hoe niresaka nito amin’ny toerana halehany ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niteny, ary ireo fotoana telo ireo no fotoana tsara indrindra ho an’ilay mpanao dia lavitra, ka nanaitra azy ny amin’ny fotoan’ny asany, Satria raha mandeha andro aman’alina ilay mpanao dia lavitra, dia tsy hahavita hanao azy ary mitsitapatapaka, ary raha miezaka mandeha amin’ireny fotoana ireny izy, dia ho afaka hanohy tsy misy fahasarotana.
  5. Nilaza Ibn Hajar : Manondro ny amin'ny fakana ny fahazoan-dàlana ara-dalàna silamika no resahina ato amin'ity hadith ity, satria ny fanaovana hentitra be eo amin'ny toeran'ny fanomezan-dàlana amin'ny fanatsorana dia fanivanivana, toy ny olona mamela ny tayammom nefa tsy afaka mampiasa rano izy, ary mitondra loza ho azy ny fampiasana izany.
  6. Ibn al-Monir dia nilaza hoe : Ity hadith ity dia iray amin'ireo famantarana ny faminaniana efa hitanay ary ny olona teo alohanay dia efa nahita fa hofongorana avokoa izay mihoa-pefy amin'ny finoana, ary ny tiana ho lazaina dia ny tsy hisakana ny fiezahana ho tonga lafatra amin'ny fanompoam-pivavahana, satria zavatra mendri-piderana izany, fa ny misoroka ny fihoaram-pefy izay mitarika ho any amin’ny fahasorenana, na ny fihoaram-pefy amin’ny asa an-tsitrapo izay mitarika ho any amin’ny fialana, na ny fanemorana ny vavaka tsy maintsy atao any ivelan’ny fotoanany, toy ny olona nandany ny alina tamin’ny fivavahana alina nefa renoky ny torimaso ka tsy nahavita ny vavaka maraina tany amin'ny moske, na mandra-piposahan’ny masoandro ka nivoaka ny ora tsy maintsy anaovana azy.