+ -

عن عائشة رضي الله عنها زوج النبي صلى الله عليه وسلم عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«إِنَّ الرِّفْقَ لَا يَكُونُ فِي شَيْءٍ إِلَّا زَانَهُ، وَلَا يُنْزَعُ مِنْ شَيْءٍ إِلَّا شَانَهُ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2594]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) vadin'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
"Tsy misy zavatra nidiran'ny hatsarampanahy sy ny fahatsorana afa-tsy hoe nankatsarainy, ary tsy misy zavatra nialany afa-tsy hoe simba avokoa".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Manazava ny Mpaminany (S.A.W), fa ny hatsaram-panahy, ny fahamoram-po ary ny fahatsorana amin’ny teny sy izay atao dia mahatonga ny zavatra iray ho tsara tarehy, tonga lafatra ary mahafinaritra, ary azo inoana kokoa fa ny olona manao izany dia mahatsapa fa nahazo izay ilainy.
Ny tsy fananana fahatsorana dia mampihena lanja sy manaratsy ary manakana ny olona hahazo ny zavatra ilainy, fa nadia azony aza ny zavatra ilainy fa kosa tao anatin'ny fahasahiranana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana amin'ny fananana toetra malefaka sy ny fahatsorana.
  2. Ny fahatsorana dia mandravaka sy manatsara ny olona iray, ary izany no antony lehibe hahazoany hatsarana rehetra amin'ny lafiny ara-pinoana sy ara-piainana.