عن أنس بن مالك رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«إِنَّ اللهَ لَيَرْضَى عَنِ الْعَبْدِ أَنْ يَأْكُلَ الْأَكْلَةَ فَيَحْمَدَهُ عَلَيْهَا، أَوْ يَشْرَبَ الشَّرْبَةَ فَيَحْمَدَهُ عَلَيْهَا».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2734]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tompo Allah dia faly amin'ny mpanompo iray rehefa mihinana hanina ka misaotra azy noho izany, na rehefa misotro zava-pisotro ka midera azy amin'izany".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2734]

Ny fanazavana

Manazavana i Mpaminany (S.A.W) hoe : fa ny fisaoran’ny mpanompo ny Tompony noho ny fahasoavany sy ny fitahiany dia iray amin’ireo zavatra hahazoany fahafaham-po amin’Allah. Rehefa nihinana ny hanina izy ka niteny hoe : (Alhamdoulillahi) Isaorana anie Allah, ary rehefa misotro ny zava-pisotro dia miteny hoe : Isaorana anie Allah.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fitiavan'Allah ilay Tsitoha, dia efa nanome vatsy Izy ka afa-po tamin'ny fiderana.
  2. Fifalian'i Allah dia azo amin'ny antony tsotra indrindra, toy ny fiderana sy fisaorana aorian'ny fihinana sy fisotroana.
  3. Isan'ny fomba amam-panao tsara amin'ny fihinana sy ny fisotroana : Fisaorana an'i Allah aorian'ny fisakafoana sy fisotroana.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (63)