+ -

عن عائشة رضي الله عنها قالت: سمعت رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول:
«إنَّ المُؤْمِنَ ليُدرِكُ بِحُسْنِ خُلُقِهِ دَرَجَةَ الصَّائِمِ القَائِمِ».

[صحيح بشواهده] - [رواه أبو داود وأحمد] - [سنن أبي داود: 4798]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
"Ny mpino iray noho ny hatsaran-toetra anànany dia hahazo voninahitr'ireo mpifady hanina amin'ny atoandro sy mpivavaka amin'ny alina".

[Marina miaraka amin'ny porofo hafa] - [Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad]

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny toetra tsara dia mitondra ny tompony amin'ny toeran'ny olona mifady hanina tsy tapaka mandritra ny andro sy mivavaka amin'ny alina, ary ny fitambaran'ny hatsaran-toetra dia : fanaovana ny tsara, fitenenana ny tsara, fitsikitsikina amin'ny tarehy, tsy manao ratsy ny hafa, miaritra izay ratsy ataon'ny olona.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha-zava-dehibe ny fitandrovan'ny finoana Islam amin'ny fanadiovana sy fahalavorariana ny fitondran-tena.
  2. Ny fahasoavan'ny hatsaran-toetra, dia mitondra ny olona mandra-pahatongany eo amin'ny voninahitry ny olona mifady hanina ka tsy mihinana mihitsy ary izay mivavaka amin'ny alina tsy mba reraka.
  3. Ny fifadian-kanina antoandro sy ny fivavahana amin'ny alina dia asa roa sarotra ho an'ny fanahy, ary ny olona manana fitondran-tena tsara dia tonga amin'ny haavony satria miezaka amin'ny tenany amin'ny fiarahamiasa tsara izy.