عَنْ جَابِرٍ رَضيَ اللهُ عنهُ أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِنَّ مِنْ أَحَبِّكُمْ إِلَيَّ وَأَقْرَبِكُمْ مِنِّي مَجْلِسًا يَوْمَ القِيَامَةِ أَحَاسِنَكُمْ أَخْلاَقًا، وَإِنَّ أَبْغَضَكُمْ إِلَيَّ وَأَبْعَدَكُمْ مِنِّي مَجْلِسًا يَوْمَ القِيَامَةِ الثَّرْثَارُونَ وَالمُتَشَدِّقُونَ وَالمُتَفَيْهِقُونَ»، قَالُوا: يَا رَسُولَ اللهِ، قَدْ عَلِمْنَا الثَّرْثَارُونَ وَالمُتَشَدِّقُونَ فَمَا الْمُتَفَيْهِقُونَ؟ قَالَ: «الْمُتَكَبِّرُونَ».
[صحيح] - [رواه الترمذي] - [سنن الترمذي: 2018]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Jabir (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Anisan'ireo tiako indrindra aminareo ary akaiky ahy amin'ny andro farany dia ireny olona izay hita fa manana toetra tsara sy fitondra-tena mendrika indrindra, fa anisan'ireo olona halako indrindra aminareo sy lavitra ahy amin'ny andro farany dia, ireo olona be resaka, ireo manao tsara resaka, ary ireo " motafayhakona " dia nanontany azy ireo mpiara-diany ka niteny hoe : fantatray ireo be resaka, ireo manao tsara resaka, fa inona ary "Motafayhakona " ? dia namaly izy manao hoe : Mpanambony tena".
[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Tirmizì] - [Sonan At-Tirmizì - 2018]
Nanambara i Mpaminany (S.A.W) fa ny olona izay tiany indrindra aminareo eto an-tany sy akaiky azy indrindra aminareo amin'ny fivoriana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty dia izay manana fitondran-tena tsara indrindra eo aminareo, ary izay halany indrindra aminareo eto an-tany ary ny hanalavirany iray aminareo amin’ny fivoriana amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty dia izay manana fitondran-tena ratsy indrindra. (ireo be resaka) izay be resaka noho ny fiankinan-doha sy ny fivilian-dàlana amin'ny fahamarinana, (sy ny fitenenan-dratsy) izay miteniteny foana ary manandratra ny teniny tsy amim-pitandremana na amin'ny fanajana (ary ny motafihikon), dia nanontany ireo mpanaradiany manao hoe : Ry irak'Allah, efa fantatra ireo be resaka sy ireo mpiteny ratsy ka inona no motafihikon ? Dia hoy izy namaly : Ny mpanambony tena, ireo maneso ny olona, izay miteny be dia be sady miloa-bava amin’izany.