+ -

عن عبد الله بن عمرو رضي الله عنهما قال:
لَمْ يَكُنِ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَاحِشًا وَلَا مُتَفَحِّشًا، وَكَانَ يَقُولُ: «إِنَّ مِنْ خِيَارِكُمْ أَحْسَنَكُمْ أَخْلَاقًا».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 3559]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A) niteny :
Ny Mpaminany dia tsy maloto fitondran-tena ary tsy nanao vetaveta fa matetitra milaza izy hoe : "Fa ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 3559]

Ny fanazavana

Tsy tao anatin’ny fitondran-tenan’ny Mpaminany (S.A.W) ny miteny ratsy na manao asa ratsy, ary tsy niniany na ninia nanao izany izy, satria izy Mpaminany (S.A.W) dia nanana fitondran-tena avo.
Ary izy Mpaminany (S.W.A) dia niteny hoe: Ny tsara indrindra aminareo eo anatrehan'Andriamanitra dia izay manana toetra tsara indrindra, amin'ny fanaovan-tsoa, ​​ny famiratan'ny tarehy, ny fifadiana amin'ny fanaovana ratsy sy ny fandeferana amin'izany, ary fifangaroana amin'ny olona amin'ny hatsaram-panahy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny mpino dia tsy maintsy manalavitra ny fahavetavetana, toy ny teny ratsy sy ny asa ratsy.
  2. Fahafenoan'ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W), ka tsy misy mivoaka aminy afa tsy ny asa soa sy ny teny mamy.
  3. Ny toetra tsara dia kianja fifaninanana, satria izay tonga voalohany dia tafiditra ho anisan’ireo mpino tsara indrindra sy manampinoana feno.