1. Ny fototra
  2. Ireo fisokajiana
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Resaka Tandremo ny fidirana amin'ny vehivavy." Dia hoy ny lehilahy avy amin'i Answar: Ry irak'Allah, ahoana raha havam-bady? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Ny havam_bady mihitsy no fahafatesana”

عَنْ عُقْبَةَ بْنِ عَامِرٍ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِيَّاكُمْ وَالدُّخُولَ عَلَى النِّسَاءِ» فَقَالَ رَجُلٌ مِنَ الأَنْصَارِ: يَا رَسُولَ اللَّهِ، أَفَرَأَيْتَ الحَمْوَ؟ قَالَ: «الحَمْوُ المَوْتُ».

Tatitra azo avy amin'i Aqbat Ibn Aamir (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tandremo ny fidirana amin'ny vehivavy." Dia hoy ny lehilahy avy amin'i Answar: Ry irak'Allah, ahoana raha havam-bady? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Ny havam_bady mihitsy no fahafatesana”.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 5232

Ny fanazavana

Nampitandrina amin’ny fifangaroana amin’ny vehivavy hafa i Mpaminany (S.A.W), ka hoy izy : Tandremo ny tenanareo fandrao hiditra amin’ny vehivavy, na ny vehivavy fandrao miditra aminareo.
Nisy lehilahy avy amin'ny Answar niteny hoe : Ahoana raha ny havan’ilay lehilahy? Toy ny rahalahin-dralehilahy, ny zana-drahalahiny, ny dadatoany, ny zanak’olo-mpiray tampo aminy, ny zanaky ny anabaviny, sy ny toy izany, izay afaka manambady azy?
Hoy i Mpaminany (S.A.W) : Tandremo izy ireny tahaka ny fitandremanareo ny fahafatesana! Satria miteraka fifandirana sy fahapotehana eo amin’ny finoana ny mijanona irery miaraka amin’ireo havam-bady. Satria ny havan’ny lehilahy ankoatra ny rainy sy ny zanany dia voakasika voalohany amin'ny fandrarana noho ny hafa. Satria ny fijanonana irery miaraka amin’ny havan’ny lahy dia tokony hahasaropiaro kokoa noho ny amin’ny olon-kafa, ary ny ratsy mety hiseho aminy mihoatra noho amin'ny olon-kafa, ary ny fakam-panahy avy aminy no azo inoana kokoa. Mba hahafahany mahazo an-dravehivavy sy irery miaraka aminy tsy misy fanoherana azy, ary satria ilaina izany, ary tsy azo atao ny manakana azy tsy ho eo aminy, araka ny mahazatra ny milefitra amin'izany, dia toy izany koa ny lehilahy mijanona irery amin’ny vadin’ny rahalahiny; Mitovitovy amin’ny fahafatesana raha resaka faharatsiana sy fahalovana izany, fa tsy toy ny lehilahy tsy hafa, izay tsy maintsy ampitandremana.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana ny fidirana amin'ny vehivavy hafa sy ny fijanonana irery amin'izy ireo, mba hanakanana ny filatsahana ao amin'ny fitondran-tena maloto.
  2. Izany dia ankapobeny ho an'ny vahiny, anisan'izany ny anadahin'ny lehilahy sy ny havany, izay tsy havan'ny vehivavy, ary tsy maintsy heverina fa ny fidirana dia tsy misy ny fitokana-monina.
  3. Misoroka ny fahadisoana amin'ny ankapobeny, noho ny tahotra ny ho latsaka amin'ny ratsy.
  4. Hoy i Al-Nawawi : Nifanaiky ireo manam_pahaizana rehetra fa havan'ny vadin'ny vehivavy, toy ny rainy, ny dadatoany, ny rahalahiny, ny zana-drahalahiny, ny zanak'olo-mpiray tampo aminy, sy ny toy izany, ary ireo anabavy roa dia havan'ny vadin-dehilahy, ary ny rafozana dia misy karazany roa.
  5. Nampitoviny (ny havam_badiny) tamin'ny fahafatesana, hoy i Ibn Hajar : Ny Arabo dia milaza ny zavatra tsy tiany ho toy ny fahafatesana, ny tiany ampitovizina eto dia ny fahafatesan'ny finoana raha tafalatsaka tao amin'ny fahotana, ary ny fahafatesan'ny ilay voatsapa raha tafalatsaka tamin'ny ota dia ny tora-bato, ary ny fahafatesan'ny vehivavy dia ny fisarahan'ny vadiny, raha ny fialonana no mahatonga azy hisaraka aminy.

Fanehoana ny dikan-teny

51 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
UR اردو الأوردية
ES Español الإسبانية
ID Indonesia الإندونيسية
UG ئۇيغۇرچە الأيغورية
BN বাংলা البنغالية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
TA தமிழ் التاميلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
DE Deutsch الألمانية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
KY Кыргызча القيرقيزية
NE नेपाली النيبالية
LT Lietuvių الليتوانية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
TG тоҷикӣ الطاجيكية
RW Kinyarwanda الكينياروندا
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
MOS Moore الموري
OM Oromoo الأورومو
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية