+ -

عَنْ مَالِكِ بْنِ أَوْسِ بْنِ الْحَدَثَانِ أَنَّهُ قَالَ: أَقْبَلْتُ أَقُولُ مَنْ يَصْطَرِفُ الدَّرَاهِمَ؟ فَقَالَ طَلْحَةُ بْنُ عُبَيْدِ اللهِ وَهُوَ عِنْدَ عُمَرَ بْنِ الْخَطَّابِ رضي الله عنهما: أَرِنَا ذَهَبَكَ، ثُمَّ ائْتِنَا، إِذَا جَاءَ خَادِمُنَا، نُعْطِكَ وَرِقَكَ، فَقَالَ عُمَرُ بْنُ الْخَطَّابِ: كَلَّا، وَاللهِ لَتُعْطِيَنَّهُ وَرِقَهُ، أَوْ لَتَرُدَّنَّ إِلَيْهِ ذَهَبَهُ، فَإِنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«الْوَرِقُ بِالذَّهَبِ رِبًا، إِلَّا هَاءَ وَهَاءَ، وَالْبُرُّ بِالْبُرِّ رِبًا، إِلَّا هَاءَ وَهَاءَ، وَالشَّعِيرُ بِالشَّعِيرِ رِبًا، إِلَّا هَاءَ وَهَاءَ، وَالتَّمْرُ بِالتَّمْرِ رِبًا، إِلَّا هَاءَ وَهَاءَ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 1586]
المزيــد ...

Araka ny voalazan'i Malik ibn Aws ibn al-Hadathan hoe : "Iza no manakalo dirham?", namaly i Talha bin Obaidillah, raha mbola teo amin'i Omar bin Al-Khattab (R.A) izy manao hoe : Asehoy anay ny volamenanao, dia mankanesa atỳ aminay ianao, fa rehefa tonga ny mpanampinay dia homenay anao ny taratasinao, dia hoy i Omar Ibn Al-Khattab : Tsia, mianiana amin'I Allah aho, omeo azy ny taratasiny, na avereno aminy ny volamenany, satria ny irak'Allah (S.A.W) niteny manao hoe :
“Ny taratasy amin'ny volamena dia zanabola, afa-tsy ny ity sy ny ity, ary ny varim_bazaha dia zana-bola amin’ny varim_bazaha, afa-tsy ity sy ity, ary ny voamaina dia zana-bola ho voamaina, afa-tsy ity sy ity, ary ny daty dia zana-bola amin'ny daty , afa-tsy ity sy ity".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 1586]

Ny fanazavana

Nilaza i Malik bin Aws fa nanana dinar volamena izy ary te-hanakalo izany amin'ny dirham volafotsy, ka hoy i Talha bin Obaidillah (R.A):Omeo aty ny Dinar nao ho jereko, Avy eo dia hoy izy taminy rehefa nanapa-kevitra ny hividy izany : Mitongava aty aminay ianao rehefa tonga aty ny mpanampinay mba hanomezanay anao ny dirham-bolafotsy. Ary i Omar ibn Al-Khattab (R.A) dia nanatrika tao ka tsy nanaiky ity karazana fifampiraharahana ity, ary nianiana tamin'i Talha mba handoa ny volafotsy izy ankehitriny, na hamerina aminy ny volamenany izay nalainy, ary nazavainy ny anton'izany fa i Mpaminany (S.A.W) nilaza hoe : ny fivarotana volafotsy amin'ny volamena, na ny mifamadika amin'izany, dia tsy maintsy mandray ny tamberim-bidy mivantana, raha tsy izany dia ho voarara ny fifanarahana miendrika zana-bola sy voarara, ary tsy raikitra ny fivarotana volamena amin'ny volafotsy, na volafotsy amin'ny volamena, afa-tsy amin'ny takalo an-tànana, ary vita ny takalo, ary tsy amidy ny vary ho solon'ny vary, ary voamaina ho solon'ny voamaina, afa-tsy ny mitovy aminy, ny lanja ho an'ny lanja, ny famarana ho solon'ny famarana, ny tànana amin'ny tanana, ary tsy azo atao ny manasaraka azy vao maka azy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Misy karazany dimy ny zavatra voalaza ao amin'ity hadith ity : volamena, volafotsy, varim_bazaha, voamaina ary daty, raha toa ka ao anatin'ny entana iray ihany no misy ny varotra, dia fepetra roa no tsy maintsy fenoina amin'ny maha-ara-dalàna azy : fifanakalozana teo amin'ny fifanarahana, ary fitoviana amin'ny fifanarahana lanja, toy ny volamena ho an’ny volamena, raha tsy izany dia zana_bola amin’ny trosa, ary raha misy fahasamihafana eo amin’ny volafotsy sy ny vary, ohatra, dia ny fepetra iray dia ny maha-ara-dalàna ny fifanarahana dia ny fandraisana ny vidiny tamin’izany fotoana izany ny fifanarahana, raha tsy izany dia zana_bola amin'ny trosa.
  2. Ny atao hoe fivorian’ny fifanekena : Ny toerana ifanakalozana antoka, na mipetraka, na mandeha, na mitaingina, ary ny atao hoe fisarahana dia ilay atao hoe fisarahana amin’ny fomba amam-panao eo amin’ny olona.
  3. Ny fandrarana ao amin'ny hadith dia ahitana ny karazana volamena rehetra, voavolavola na hafa, ary ny karazana volafotsy rehetra, na voavolavola na tsy voavolavola.
  4. Ny vola amin'izao vanim-potoana izao dia tsy maintsy atao mitovy amin'ny fivarotana volamena amin'ny volafotsy, izany hoe raha te hanakalo vola iray amin'ny vola hafa ianao, toy ny riyal amin'ny dirham, dia azo atao ny manakalo izany araka izay ifanarahan'ny roa tonta. Fa ny fifanakalozana dia tsy maintsy atao amin'ny fotoam-pivarotana, raha tsy izany dia ho foana ny fifanarahana, ary ho voarara ny fifampiraharahana.
  5. Tsy azo atao ny mifampiraharaha misy zana-bola, ary tsy manan-kery ny fifanekena ataony, na dia mifanaiky aza ny roa tonta. Satria ny mpino silamo dia miaro ny zon'ny olombelona sy ny fiarahamonina, na dia nandefitra amin'izany aza ny andaniny.
  6. Ny fandrarana ny ratsy sy ny fisorohana izany ho an’izay afaka manao izany.
  7. Manonona porofo rehefa mandrara ny ratsy, tahaka ny nitranga tamin'i Omar bin Al-Khattab (R.A).
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Alimanina Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Aldoria serbianina Keniaroandia Romaniana Hongariana الموري Oromianina Kanadianina Okranianina الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny