عن سعد بن أبي وقاص رضي الله عنه قال: سمعت رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول:
«إِنَّ اللهَ يُحِبُّ الْعَبْدَ التَّقِيَّ الْغَنِيَّ الْخَفِيَّ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2965]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Saad Ibn Abi Waquas (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
“i Allah dia mankatia ny mpanompo matahotra azy sy manan-karena ary miafinkafina".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2965]

Ny fanazavana

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa Allah ilay Tsitoha dia mankatia ny mpanompony sasantsasany.
Anisan’izany ny mpatahotra azy : izay manaraka ny didin’Allah sy miala amin’ny fandrarany.
Ary mankatia ny mpanankarena : ilay tsy miantehitra amin'ny olona afa-tsy i Allah ary tsy miherika any amin'ny olon-kafa.
Ary mankatia ny miafina : Ny manetry tena, ny manompo ny Tompony, sahirana amin’izay mahasoa azy, ary ny tsy miraharaha izay mahafantatra azy na miresaka momba azy amin’ny fiderana sy hatsarana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana ny ampahany amin’ireo toetra takina amin’ny fitiavan’Allah ny mpanompony, izany dia ny fatahorana an'i Allah sy ny fanetren-tena ary fankasitrahana amin'izay nomen'Allah.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (63)