+ -

عن طارق بن أشيم الأشجعي رضي الله عنه قال: سمعت رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول:
«مَنْ قَالَ: لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، وَكَفَرَ بِمَا يُعْبَدُ مِنْ دُونِ اللهِ حَرُمَ مَالُهُ وَدَمُهُ، وَحِسَابُهُ عَلَى اللهِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 23]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Twariq Ibn Ashyam (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay miteny hoe : Là ilàha illal-làhou, ary tsy mankato ny zavatra hafa tompoina ankoatran'i Allah dia fady ny maka ny harenany sy ny ràny fa ny fitsarana Azy dia any amin'ny Tompo Allah.

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 23]

Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay rehetra mijoro vavolom-belona amin'ny lelany hoe : " Là ilàha illal-làhou" izay midika hoe : Tsy misy mendrika ho tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany, ary tena mikomy tanteraka ireo rehetra tompoina hafa ankoatr'i Allah, ary manalavitra ny finoana rehetra ankoatran'ny finoana Islam, dia voaharo ny harenany sy ny ràny amin'ireo vahoaka mpino silamo rehetra, isika dia tsy afaka mitsara afa-tsy izay hita aty ivelany amin'ny asa ataony, ka tsy afaka sintonina ny harenany ary tsy alatsaka ny ràny, Raha tsy hoe nanao heloka bevava izay mitaky fanamelohana azy araka ny fepetran'ny finoana silamo.
afa-tsy rehefa manatanteraka ireo habibina na hadalana izay mitaky fampiharana lalàna eo Aminy amin'ireo lalànan'ny finoana Islam.
Ary i Tompo Allah no mandray an-tànana ny fitsarana momba azy amin'ny Andro farany, raha marina izy dia ho valiany soa, fa raha mpihatsaravelatsihy kosa izy dia ho saziny amin'izany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fitenenana Là ilàha illal-làhou sy ny fikomiana ireo zavatra hafa tompoina ankoatran'i Allah, dia fepetra hidirana amin'ny finoana Islam.
  2. Dikany ilay fehezanteny hoe : ( Là ilàha illal-làhou ) dia fikomiana an'ireo rehetra izay tompoina hafa ankoatran'i Allah, toy ny sampy sy fasana ary ankoatr'izany, ary fanokanana Azy amin'ny fanompona.
  3. Ka izay nifikitra tamin'ny fanokanana Allah sy nanaja ny lalàna rehetra mibaribary dia tsy arovana mandra-pahitana mazava fa misy zavatra mifanohitra amin’izany.
  4. Hasin'ny harenan'ny mpino sy ny voninahiny afa-tsy amin'ny fahamarinana ihany.
  5. Ny fitsarana eto an-tany dia amin'ireo raharaha hita maso, fa ny amin'ny andro farany kosa dia miankina amin'ireo asa natao tam-po madio sy fikasana marina.