عَنْ عَبْدِ اللهِ بْنِ مَسْعُودٍ رضي الله عنه قَالَ: سَمِعْتُ النَّبِيَّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«نَضَّرَ اللَّهُ امْرَأً سَمِعَ مِنَّا شَيْئًا فَبَلَّغَهُ كَمَا سَمِعَ، فَرُبَّ مُبَلِّغٍ أَوْعَى مِنْ سَامِعٍ».
[صحيح] - [رواه الترمذي وابن ماجه وأحمد] - [سنن الترمذي: 2657]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masondi (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
“Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino. "
[Mari-pototra] - [Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad] - [Sonan At-Tirmizì - 2657]
Nangataka Doan i Mpaminany (S.A.W) ho amin'ny fahamoram-panahy sy ny fifaliana ary ny fahatsarana eto an-tany, ary mba ho tarihin'I Allah ho amin'ny fahasoavana sy ny fahasambarana ary ny hatsaran'ny Paradisa any ankoatra; ho an'ny olona izay nandre ny teniny ka nitadidy izany mandra-pampitantarany azy tamin'ny hafa, satria mety ilay nampitaina ny hadith no ho tonga saina kokoa, mahay kokoa ary mahay manatsoaka hevitra kokoa noho ny mpampita ny hadith, ka ny voalohany dia mahay mitadidy sy mampita ny Hadith, fa ny faharoa kosa dia hahatakatra sy hahay maka lesoa kokoa.