Atoroy ahy ny asa iray, raha manao izany aho dia hiditra any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Manompo an'i Allah ary tsy mampifandray zavatra hafa Aminy, manatanteraka ny soalat, mandoa ny zakat ary mifehy amin’ny Ramadany.”
Nivoaka teo aminay ny Mpaminany (S.A.W) dia hoy izahay : Ry irak'Allah ô, efa nianatra ny fomba fiarahabana anao izahay, koa ahoana no fomba hangatahanay tso-drano ho anao?
“Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino.