+ -

عَنْ عَبْدِ اللهِ بنِ مَسْعُودٍ رضي الله عنه قال:
قَالَ النَّبِيُّ صلى الله عليه وسلم كَلِمَةً وَقُلْتُ أُخْرَى، قَالَ النَّبِيُّ صلى الله عليه وسلم: «مَنْ مَاتَ وَهُوَ يَدْعُو مِنْ دُونِ اللهِ نِدًّا دَخَلَ النَّارَ» وَقُلْتُ أَنَا: مَنْ مَاتَ وَهُوَ لَا يَدْعُو لِلهِ نِدًّا دَخَلَ الْجَنَّةَ.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 4497]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Massondi (R.A) niteny :
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny iray hafa aho, hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “izay maty tao anatin'ny fiantsoana tompo hafa ankoatra an' I Allah ho mitovy Aminy, dia hiditra amin'ny Afobe” Ary hoy aho hoe : Izay maty tsy miantso zavatra hafa ankoatra an’I Allah dia miditra ny Paradisa.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 4497]

Ny fanazavana

Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa izay manolotra zavatra tokony ho an'I Allah irery ihany amin'ny hafa ankoatra Azy, toy ny fanaovana fangatahana amin ankoatra an'I Allah Tsitoha, na ny fitadiavana vonjy amin'ny hafa ankoatra Azy, ka maty tao anatin'izany izy dia anisan'ny olon'ny Afobe. Nanampy i Ibn Masoud (R.A) fa izay maty tsy nanambatra an’I Allah amin'ny hafa dia ho any amin'ny Paradisa ny làlan-kizorany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fitalahoana dia fanompoana izay tsy azo atao afa-tsy amin’I Allah Tsitoha.
  2. Ny valisoa azo amin'ny fanokanana an'I Allah, izay maty ao anatin'izany dia hiditra amin'ny Paradisa, na dia ho saziana aza izy noho ny fahotana sasantsasany vitany.
  3. Ny loza ateraky ny fanompoan-tsampy, ary izay maty ao anatin'izany dia hiditra amin'ny helo.