+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«لاَ عَدْوَى وَلاَ طِيَرَةَ، وَلاَ هَامَةَ وَلاَ صَفَرَ، وَفِرَّ مِنَ المَجْذُومِ كَمَا تَفِرُّ مِنَ الأَسَدِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 5707]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy misy biby, na vorona, na androngo, na tsintsina, fa mandosira ireo boka ianareo tahaka ny fandosiranao ny liona."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 5707]

Ny fanazavana

Nanazava ny ampahany tamin'ireo zavatra talohan'ny finoana silamo ny Mpaminany (S.A.W), ho fampitandremana amin'izy ireo, ary ho fanazavana fa eo am-pelatanan'I Allah ny zava-drehetra, ary tsy misy zavatra mitranga afa-tsy didy avy Aminy fatrany, izany dia ny :
Voalohany : Nino ny olona talohan'ny finoana silamo fa mifindra ho azy ny aretina; Noho izany dia nandrara ny mpaminany (S.A.W) ny finoana fa ny aretina dia mifindra ho azy avy amin'ny marary makany amin'ny olona hafa; Allah no mpandrindra izao tontolo izao; Izy no mampidina ny aretina sy manala izany, ary tsy tanteraka izany raha tsy amin’ny alalan’ny sitrapony sy ny lahatra avy Aminy.
Faharoa : Raha hivoaka hivezivezy na hanao varotra ny olona talohan’ny Islamo, dia mandroaka ny vorona izy ireo, ka raha manidina miankavanana ilay vorona, dia manantena fahasoavana amin'izany izy ireo, ary raha manidina miankavia kosa dia mihevitra izy ireo fa loza izany ka mijanona, ka noraràn'ny Mpaminany (S.A.W) io fisalasalana momba ny vorona io, ary nasehony mazava fa finoana diso izany.
Fahatelo : Miteny ny olona talohan'ny silamo hoe : Raha misy vorondolo milatsaka amin'ny trano iray, dia hisy loza hanjo ny olona ao aminy. Noho izany, noraràn'ny Mpaminany (S.A.W) finoam-poana amin'izany.
Fahefatra : Voarara ny finoanoan-dratsy momba ny volana "safar", izay volana faharoa amin'ny tetiandro amin'ny volana Nolazaina fa ny safar dia : bibilava ao amin'ny vavony izay mamindra amin'ny biby fiompy sy ny olona, ​​ka hoy izy ireo fa mifindra kokoa izany noho ny habokana; Nolavin'ny Mpaminany (S.A.W) izany finoana diso izany.
Fahadimy : Nandidy izy mba hanalavirana ny olona voan’ny habokana toy ny fanalavirana ny liona, Izany dia ny fahamailona sy fitadiavana fiarovana sy fandraisana ireo fomba entina miaron-tena araka ny nandidian'I Allah ny amin'izany; Ny habokana dia aretina manimba ny rantsan'ny olombelona.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana الموري Oromianina Kanadianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Takina ny tsy maintsy hananana fitokisana sy fianteherana amin’I Allah, ary manao ireo fomba ara-dalàna.
  2. Takina ny tsy maintsy hinoana ny anjara sy ny lahatr’I Allah, ary eo am-pelatanan’I Allah ny antony rehetra hatanteraka izany, ary Izy no mahatonga izany na manaisotra ny vokany.
  3. Fanafoanana ny finoanoam-poana ataon'ny sasany amin'ny loko, toy ny mainty sy mena, na amin'ny laharana sasantsasany, sy ireo anarana, ireo olona sy ireo manana fahasembanana.
  4. Fandrarana ny fanakakaizana ny boka; tahak'izany koa ny fisitahana ireo olona misy aretina mifindra, izany dia isan'ny fomba mahazatra hoentina hanafoanana ny antom-pifindrany, ka ny fitandremana fotsiny dia tsy ampy, fa Allah kosa dia manaisotra ny heriny raha sitrany ka tsy hisy fiantraikany izany, ary raha sitrany dia tazoniny ary tena mandaitra.
Fanampiny