+ -

عن ابْنِ عُمَرَ رضي الله عنهما أنه سَمِعَ رَجُلًا يَقُولُ: لَا وَالْكَعْبَةِ، فَقَالَ ابْنُ عُمَرَ: لَا يُحْلَفُ بِغَيْرِ اللَّهِ، فَإِنِّي سَمِعْتُ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«مَنْ حَلَفَ بِغَيْرِ اللهِ فَقَدْ كَفَرَ أَوْ أَشْرَكَ».

[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي وأحمد] - [سنن الترمذي: 1535]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.a) fa izy naheno olona iray niteny manao hoe : "Tsia!! Mianiana aho amin'ny KAABA, dia niteny i Ibn Omar (R.A) : tsy azo atao ny mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'I Allah, satria izaho naheno an'ny Mpaminany (saw) niteny manao hoe :
"Izay mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'I Allah dia efa nikomy na nanompo sampy".

[Mari-pototra] - [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad]

Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (saw) fa na iza na iza mianiana amin'ny hafa ankoatra ny anaran'I Allah sy ny toetoetrany dia tsy mino an'I Allah na nanompo sampy. Satria ny fianianana dia midika ho fanomezam-boninahitra an’izay mianiana amin’izany, nefa ho an’I Allah irery ihany ny fahalehibiazana. Tsy mianiana afa-tsy amin’I Allah sy ny Anarany ary ny Toetrany isika, Voninahitra ho Azy. Ary io fianianana eto dia tafiditra ho fanompoan-tsampy kely; fa raha nanome voninahitra be an'ilay zavatra nianianany kosa ilay mpianiana toy ny fanomezam-boninahitra an'I Allah na mihoatr'izany, dia tafiditra ao amin'ny fanompoan-tsampy lehibe izy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fanomezam-boninahitra amin'ny fianianana dia zon'I Allah irery ihany, ka tsy azo atao ny mianiana afa-tsy amin'I Allah sy ny anarany ary ny toetrany.
  2. Fitiavan'ireo mpanara_dia amin'ny famporisiana amin'ny tsara sy ny fandrarana amin'ny ratsy, indrindra rehefa zavatra misy fifandraisany amin'ny fanompoan-tsampy sy ny fikomiana.