1. Ny fototra
  2. Ireo fisokajiana
  3. Ny foto-pinoana

Resaka Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana

عَنْ عَبْدِ اللهِ بْنِ مَسعودٍ رضي الله عنه عن رَسولِ اللهِ صلى الله عليه وسلم قال:
«الطِّيَرَةُ شِرْكٌ، الطِّيَرَةُ شِرْكٌ، الطِّيَرَةُ شِرْكٌ، -ثلاثًا-»، وَمَا مِنَّا إِلَّا، وَلَكِنَّ اللهَ عَزَّ وَجَلَّ يُذْهِبُهُ بِالتَّوَكُّلِ.

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Massodi (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana.

Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad Sonan Abo Daòd - 3915

Ny fanazavana

Nampitandrina ny amin'ny finoanoam-poana ny Mpaminany (S.A.W), satria izy io dia finoana zavatra re na hita, na vorona na biby, olona manana fahasembanana, na isa, na andro, na zavatra hafa ankoatr'izany. Nolazaina fotsiny ny vorona eto satria izany no fanta-daza tamin'ny andron'ny habadoana, ary ny fiaviany dia ny famotsorana ilay vorona rehefa manomboka hanao zavatra iray toy ny fandehana-davitra, varotra, na zavatra hafa; ka raha nanidina tany ankavanana dia velom-panantenana ary miroso amin'ny zavatra tiany hatao, ary raha nanidina miankavia izany, dia raisiny ho fambara-ratsy ka manatsahatra ilay saika hataony izy. Nilaza izy fa fanompoan-tsampy izany, ary ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy; Satria tsy misy mitondra soa afa-tsy Allah, ary tsy misy mahatohitra ny ratsy afa-tsy Allah irery ihany, izay tsy manana mpiombona miaraka Aminy.
Nilaza i Ibn Masod (R.A) fa mety hilatsaka ao am-pon'ny mpino silamo ny finoanoam-poana, saingy tsy maintsy misoroka izany izy amin'ny alàlan'ny fianteherana sy fitokisana an'I Allah, miaraka amin'ny fandraisana andraikitra.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy; Satria mahatonga ny fo hifikitra amin’nyzavatra hafa ankoatra an’i Allah.
  2. Ny maha-zava-dehibe ny famerimberenana ny zavatra manan-danja, mba ho voatahiry sy hitoetra tsara ao am-po.
  3. Ny finoanoam-poana dia esorin'ny fahatokiana sy fianteherana an’I Allah Ilay Tsitoha.
  4. Voadidy ny amin'ny fianteherana amin’i Allah irery ihany sy hamatotra ny fo Aminy, Voninahitra anie ho Azy.

Fanehoana ny dikan-teny

58 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
UR اردو الأوردية
ES Español الإسبانية
ID Indonesia الإندونيسية
UG ئۇيغۇرچە الأيغورية
BN বাংলা البنغالية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
TA தமிழ் التاميلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
DE Deutsch الألمانية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
KY Кыргызча القيرقيزية
NE नेपाली النيبالية
YO Yorùbá اليوروبا
LT Lietuvių الليتوانية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
SO Soomaali الصومالية
TG тоҷикӣ الطاجيكية
RW Kinyarwanda الكينياروندا
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
CS Čeština التشيكية
MOS Moore الموري
OM Oromoo الأورومو
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan الأذربيجانية
UZ O‘zbek الأوزبكية
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية