+ -

عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ عَمْرِو بْنِ الْعَاصِ رضي الله عنهما أنَّ رَسولَ اللَّهِ صلَّى اللَّهُ عليْه وسلَّمَ، قال:
«قَدْ أَفْلَحَ مَن أَسْلَمَ، وَرُزِقَ كَفَافًا، وَقَنَّعَهُ اللَّهُ بما آتَاهُ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 1054]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amro Ibn Al-Asi (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Fahombiazana ho an'izay niditra amin'ny finoana silamo, ary nomena anjara ampy azy ary afa-po amin'izay nomen'I Allah azy."

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 1054]

Ny fanazavana

Nazavain'ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa nandresy sy nahomby izay nanaiky ny Tompony ary notarihina nanaraka ny finoana silamo, ary nomena izay anjara madio araka izay ilainy, tsy misy fanampiny na fanesorana, ary nataon’I Allah ho resy lahatra sy afa-po tamin’izay nomeny azy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahasambaran’ny olona iray dia miankina amin’ny fahatanterahan’ny fivavahany, ny fahampian'ny anjarany ary ny fahafaham-po amin’izay nomen’I Allah azy.
  2. Famporisihana hiaina amin'izay nomena anao eto an-tany miaraka amin'ny finoana Silamo sy ny Sonnah.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Teljo saohilia Tailandia Asamia Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الجورجية الماراثية
Fanehona ny dikanteny