+ -

عَنْ أَنَسٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ، قَالَ: لَأُحَدِّثَنَّكُمْ حَدِيثًا سَمِعْتُهُ مِنْ رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لاَ يُحَدِّثُكُمْ بِهِ أَحَدٌ غَيْرِي: سَمِعْتُ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«إِنَّ مِنْ أَشْرَاطِ السَّاعَةِ أَنْ يُرْفَعَ العِلْمُ، وَيَكْثُرَ الجَهْلُ، وَيَكْثُرَ الزِّنَا، وَيَكْثُرَ شُرْبُ الخَمْرِ، وَيَقِلَّ الرِّجَالُ، وَيَكْثُرَ النِّسَاءُ حَتَّى يَكُونَ لِخَمْسِينَ امْرَأَةً القَيِّمُ الوَاحِدُ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 5231]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Anas (R.D), Niteny Izy ka nanao hoe : Hitantara Aminareo Hadith iray izay reko tamin'ny Iraka mahafatokin'i Tompo Allah Aho, ka tsy hisy hitantara Aminareo izany afa-tsy Izaho ihany : Nandre ny Irakan'i Tompo Allah Aho Niteny ka nanao hoe :
" Tena marina fa anisany iray amin'ireo famantarana ny amin'ny Andro farany dia ny fialàn'ny ny fahalalana, sy fitombohan'ny habadoana, ary tena hitombo tokoa ny fijangajangana, sy hitombo ihany koa ny fisotroana toaka, hihena ny isan'ireo lehilahy, ary hitombo ny vehivavy mandra-pahatongan'ny vehivavy dimampolo lasa ho an'ny lehilahy iray ."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 5231]

Ny fanazavana

Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa iray amin'ireo famantarana ny fahatongavan'ny Andro farany sy ny Andro ny fitsarana dia hiala eo amin'ny Olombelona avokoa ny fahalalana ara-pinoana, ary izany zavatra izany dia miseho noho ny avy amin'ny fahafatesan'ireo Manam-pahaizana rehetra misy eto an-tany. Ka ny vokany izany dia mitombo sy mihanaka mahay maro sy betsaka ny tsy fahalalana, lasa mitombo avo eny ny isan'ireo mandray anjara amin'ny fijangajangana sy ny fahalotoam-pitondrantena, any ka lasaq mitombo avo eny ihany koa ny isan'ireo mandray anjara amin'ny fisotroana ny toaka, ary lasa mihena andro amanalina ny isan'ireo vatan-dehilahy fa lasa mitombo isa mandrakariva ihany kosa ny isan'ireo vehivavy. Ka dia lasa miafara vehivavy dimampolo indray no manana lehilahy iray izay mitsangana mikarakara ny raharaha momba azy ireo sy mikarakara ihany koa ny tombontsoan'izy ireo.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Italianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina اليونانية Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana sy famelabelarana ireo ampahany amin'ireo famantarana ny fisiany Andro farany.
  2. Ny fahalalana momba ny fotoana izay mety higadonan'ny Andro farany dia tafiditra anisan'ireo fahalalana miafina izay nosafidin'ny Tompo Allah ho an'ny Tenany manokana irery ihany ka tsy misy mahalala sy mahafantatra an'izany na dia iray aza.
  3. Famporisihana ny hianatra ny fahalalana momba ny finoana Islam mialohan'ny hahavery Azy.