+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لاَ تَقُومُ السَّاعَةُ حَتَّى يَمُرَّ الرَّجُلُ بِقَبْرِ الرَّجُلِ فَيَقُولُ: يَا لَيْتَنِي مَكَانَهُ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 7115]
المزيــد ...

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy ho tonga ny ora farany raha tsy mandalo ny fasan’olona ny lehilahy iray ka hiteny izy manao hoe : Enga anie mba izaho no teo amin’ny toerany”.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy ho avy ny ora farany raha tsy mandalo fasana ny olona iray ka maniry ny ho faty eo amin'ny toerany, ny antony dia ny fahatahorany ny tenany sao dia ho votsotra aminy ny finoany, noho ny fanjakazakan’ny lainga sy ny olony, ary ny fisehoan’ny fitsapana sy ny fahotana ary ny fahavetavetana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Aigoria Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Filazana ny fipoiran’ny fahotana sy ny fitsapana amin’ny fotoana farany.
  2. Famporosina amin'ny fahamailona sy ny fiomanana amin’ny fahafatesana amin’ny alalan'ny finoana sy ny asa tsara ary ny fanalavirana ny toerana misy fakam-panahy sy ny fitsapana.