+ -

عن المقدام بن معدِيْكَرِب رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«أَلَا هَلْ عَسَى رَجُلٌ يَبْلُغُهُ الْحَدِيثُ عَنِّي وَهُوَ مُتَّكِئٌ عَلَى أَرِيكَتِهِ فَيَقُولُ: بَيْنَنَا وَبَيْنَكُمْ كِتَابُ اللهِ، فَمَا وَجَدْنَا فِيهِ حَلَالًا اسْتَحْلَلْنَاهُ، وَمَا وَجَدْنَا فِيهِ حَرَامًا حَرَّمْنَاهُ، وَإِنَّ مَا حَرَّمَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَمَا حَرَّمَ اللهُ».

[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي وابن ماجه] - [سنن الترمذي: 2664]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Al-Mikdàm ben Ma'diyakrab (R.D) Niteny : fa Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) :
" Moave misy Olona mipetraka eo amin'ny sezany ka tonga Aminy ny Hadithe avy Amiko dia miteny Izy ka hanao hoe : Atsika efa manana Bokin'i Allah eo anatrehantsika Ka izay hitantsika fa Halaly dia Ataontsika Halaly, ary izay hitantsika fa Haramo dia Ataontsika Haramo, Satria izay noraran'i Iraka mahafatokin'i Tompo Allah dia toy ny noraran'i Tompo Allah ihany izany ".

[Mari-pototra] - [Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì ary Ibn Màjah]

Ny fanazavana

Nilaza sy nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa efa manakaiky tokoa ny fotoana farany misy andian'Olona, ny iray mipetraka ary ny iray matoritory eo am-pandrinany, tonga Aminy ny petra-bolana avy amin'ny Mpaminany (S.W.A) ka hilaza Izy hoe ny mampisaraka atsika amin'ny zavatra iray dia ity Bokin'i Tompo Allah Satria izany dia mahampy Atsika, ka izay hitantsika fa Halayl dia hataontsika, ary izay hitantsika hoe Haramo ao anatiny dia hankalavirintsika. Avy eo nazavain'ny Mpaminany (S.W.A) fa ny zavatra rehetra izay nofadiny na koa norarany amin'ny fomba amam-panaony dia mitovy tantana amin'ny fandrarana izay nataon'i Tompo Allah ao amin'ny Bokiny, Satria izany dia azony avy amin'ny Tompony.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanomezamboninahitra ny Sounnat (fomba amam-panaon'ny Mpaminany) dia tahaka ny fanomezamboninahitra ny Boky masina Koroany ary tena manan-kery izany.
  2. Fanekena sy fan-katoavana an'ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah dia fan-katoavana an'i Tompo Allah ary ny fikomiana Azy dia fikomina an'i Tompo Allah ilay Avo tsitoha.
  3. Porofo maha-azo antoka tanteraka ny Sounnat sy ny valin-kafatra ho an'izay mandà sy mitsipaka na mankahala an'izany.
  4. Na iza na iza miala amin'ny Sounnat ary milaza fa mahampy ny Boky masina Koroany dia efa mandà izy rehetra, mandainga amin'ny fitakiany hanaraka ny Boky masina Koroany.
  5. Isan'ireo porofo amin'ny faminanian'ny Mpaminany (S.W.A) ny fampahafantarany ireo zavatra hiseho any aoriana any, ary izany dia tena hitranga tokoa tahaka ny nambarany.