+ -

عن عبد الله بن عمرو رضي الله عنهما أن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«بَلِّغُوا عَنِّي وَلَوْ آيَةً، وَحَدِّثُوا عَنْ بَنِي إِسْرَائِيلَ وَلَا حَرَجَ، وَمَنْ كَذَبَ عَلَيَّ مُتَعَمِّدًا فَلْيَتَبَوَّأْ مَقْعَدَهُ مِنَ النَّارِ».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 3461]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amr (R.a), fa tena marina i Mpaminany (saw) niteny ka nanao hoe :
“Ampahafantaro ny olona ny avy aty amiko na dia andininy iray monja aza, ary tantarao ny momba ireo Zanak’Isiraely fa tsy misy tsiny ny amin'izany, ary na iza na iza minia mandainga ny amiko, dia aoka hanomana ny seza hipetrahany mandrakizay ao amin'ny Afobe".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari]

Ny fanazavana

Nandidy atsika i Mpaminany (saw) mba hanampita ireo fahalalana rehetra momba azy avy ao amin'ny Boky masina Koroany na ny Sonnat na dia kely aza izany, na dia hoe aza andininy teny ao amin'ny Boky masina Koroany na ny avy ao amin'ny Hadisy, saingy ny fepetra takiana amin'izany kosa dia ny hoe : aoka mba hanànany fahalalana ny zavatra izay aparitany sy hiantsoany ny Olona. Avy eo niteny i Mpaminany (saw) hoe : Tsy maninona raha mitantara momba ireo Zanak’Isiraely ny zava-nitranga tamin'izy ireo amin’ny fomba tsy mifanohitra amin’ny lalànantsika. Avy eo izy dia nampitandrina ny lainga atao aminy, ary na iza na iza nandainga taminy, dia aoka izy hanamboatra toerana ho an'ny tenany ao amin'ny Afobe.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny famporisina amin'ny fampitana ny lalàn'I Allah, ary ny olona rehetra dia tokony hampita izay fantany tsianjery amin'ny fomba tsotra indrindra.
  2. Voadidy ny mianatra ireo fahalalana Islamika, mba hafahana manompo an'I Allah sy manaparitaka ny lalàny amin'ny endrika tsara sy marina.
  3. Tsy maintsy hamarinina ny maha-azo antoka ny hadisy mialohan'ny hampitaina na hamoahana azy, mba ho fitandremana amin'ilay fandrahonana mafy nataon'ny Mpaminany (saw).
  4. Famporisihana ny fahamarinana amin’ny fitenenana sy ny fitandremana amin’ny famoahana teny, mba tsy ho tafiditra amin’ny lainga, indrindra amin’ny lalàn’I Allah ilay Tsitoha.