Ny sokajy:
+ -

عَنْ أَبِي نَجِيحٍ العِرْبَاضِ بْنِ سَارِيَةَ رضي الله عنه قَالَ: وَعَظَنَا رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ مَوْعِظَةً وَجِلَتْ مِنْهَا القُلُوبُ، وَذَرَفَتْ مِنْهَا العُيُونُ، فَقُلْنَا: يَا رَسُولَ اللهِ! كَأَنَّهَا مَوْعِظَةُ مُوَدِّعٍ؛ فَأَوْصِنَا، قَالَ:
«أُوصِيكُمْ بِتَقْوَى اللَّهِ، وَالسَّمْعِ وَالطَّاعَةِ، وَإِنْ تَأَمَّرَ عَلَيْكُمْ عَبْدٌ، فَإِنَّهُ مَنْ يَعِشْ مِنْكُمْ بَعْدِي فَسَيَرَى اخْتِلَافًا كَثِيرًا، فَعَلَيْكُمْ بِسُنَّتِي وَسُنَّةِ الخُلَفَاءِ الرَّاشِدِينَ المَهْدِيينَ، عَضُّوا عَلَيْهَا بِالنَّوَاجِذِ، وَإِيَّاكُمْ وَمُحْدَثَاتِ الأُمُورِ؛ فَإِنَّ كُلَّ بِدْعَةٍ ضَلَالَةٌ».

[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي] - [الأربعون النووية: 28]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Najihi Al-Irbadhi ibn Sariyah (R.A) nilaza hoe : Nanao toriteny ny Irakan'i Tompo Allah (S.A.W) izay nampihorohoro ny fonay sy nampitomany ny masonay. Ka hoy izahay Taminy hoe : Ry Irakan'i Tompo Allah Ô ! Toy ny hoe toriteny fanaovam-beloma. Ka dia mba toroy hevitra izahay, dia niteny Izy namaly hoe :
" Manoro hevitra Anareo Aho ny mba hatahotra an'i Tompo Allah, ary hihaino sy hendry ary hankatò Azy, ary raha misy andevo voatendry hifehy sy hibaiko ary hitondra Anareo dia ankatoavinareo izany. Fa izay mbola ho velona sy hahazo fivelomana lava Aminareo avy ao aoriako dia hahita ny olana sy disadisa ary tsy fitovian-kevitra be dia be. Koa arahonareo ihany ny Sonnah-ko sy ny Sonnahn'ireo Kalifa Mpitari-dalana Anareo, ary mifikira mafy amin'izany Ianareo ara-drariny, ary tano sy tazominareo mafy izany, ary mitandrema amin’ny zava-baovao rehetra izay noforonina, fa izany dia fahaverezana”.

[Mari-pototra] - [Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì] - [الأربعون النووية - 28]

Ny fanazavana

Nananatra ireo mpanaradiany ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny toriteny mafonja izay nampatahotra ny fo sy nahalatsa-dranomaso ny maso. Hoy izy ireo : “Ry irak’Allah ô, toy ny toriteny fanaovam-beloma izany, satria hitan’izy ireo ny fanamafisana nataony tamin’ny toriteny, ka nangataka izy ireo torohevitra hifikirana ao aoriany, Hoy izy : Manoro hevitra anareo aho mba hatahotra an’ I Allah Ilay Tsitoha, amin’ny fanaovana ny adidy tsy maintsy atao sy ny fialana amin’ny zavatra voarara. Ary ny fihainoana sy ny fankatoavana, izany hoe : amin'ireo mpitondra, na dia andevo aza no mpitondra eo aminareo na manjaka aminareo, izany hoe, ny ambany indrindra amin'ny zavaboary no lasa mpitondra anareo, dia aza miala amin'izany ary mankatoava azy, noho ny tahotra amin'ny fisian'ny korontana (fitna), fa izay hiaina eo aminareo any aoriana dia hahita fifandirana lehibe. Avy eo dia nohazavainy tamin’izy ireo ny làlana hivoahana amin’izany tsy fitovian-kevitra izany, dia amin’ny alàlan’ny fifikirana ny fomba amam-panaony sy ny fomba amam-panaon’ireo mpandimby Azy izay mahitsy sy marina ao aoriany, Abi Bakr Al-Siddiq, Omar bin Al-Khattàb, Othman bin Àffàn, ary Ali bin Abi Tàlib, ho faly amin'izy rehetra anie Allah, ary ny fanaikerana azy amin'ny vangy dia midika ho faran-tampony amin'ny fifikirana ny fomba ama-panaony (sonnat ). Ary nampitandrina azy ireo ny Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny zava-baovao sy ny forona amin’ny fivavahana, satria ny zava-baovao rehetra dia fahaverezana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha zava-dehibe ny fifikirana ny Sonnat sy ny fanarahana azy.
  2. Ny firaharahana momba ny fananarana sy ny fanalefahana ny fo.
  3. Ny baiko mandidy ny fanarahana ireo mpitondra marina sy mahitsy, efatra taoriany dia i Abo Bakr, Omar, Othman ary Ali, ho faly amin'izy ireo anie Allah.
  4. Fandrarana amin'ny famoronana eo amin'ny lafiny finoana, ary ny forona rehetra dia fahaverezana.
  5. Ny fihainoana sy ny fankatoavana an'ireo mpitondra raharahan'ny mpino silamo raha tsy misy fahotana.
  6. Ny maha zava-dehibe ny fatahorana an'Allah Ilay Tsitoha amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toe-javatra rehetra.
  7. Tena zava-misy amin’ity vahoaka ity ny tsy fitovian-kevitra, ary rehefa mitranga izany dia ilaina ny miverina amin’ny Sonan’ny irak’Allah sy ireo Kalifa mpanaraka ny fahamarinana.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Tailandia Alimanina Pasito Asamia Albany Amharika Gojratia Kargaria Nepalianina Litoanianina Aldoria serbianina Tajakianina Keniaroandia Hongariana Tsekianina الموري Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny
Ireo sokajy
Fanampiny