عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«كُلُّ سُلَامَى مِنَ النَّاسِ عَلَيْهِ صَدَقَةٌ، كُلَّ يَوْمٍ تَطْلُعُ فِيهِ الشَّمْسُ تَعْدِلُ بَيْنَ الِاثْنَيْنِ صَدَقَةٌ، وَتُعِينُ الرَّجُلَ فِي دَابَّتِهِ فَتَحْمِلُهُ عَلَيْهَا أَوْ تَرْفَعُ لَهُ عَلَيْهَا مَتَاعَهُ صَدَقَةٌ، وَالكَلِمَةُ الطَّيِّبَةُ صَدَقَةٌ، وَكُلُّ خُطْوَةٍ تَمْشِيهَا إِلَى الصَّلَاةِ صَدَقَةٌ، وَتُمِيطُ الأَذَى عَنِ الطَّرِيقِ صَدَقَةٌ».
[صحيح] - [رواه البخاري ومسلم] - [الأربعون النووية: 26]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
Tokony hamoahana Soadaka avokoa ireo tonontaolana rehetra misy eo amin'ny vatan'ny Olombelona, isan'andro vaky izay hiposahan'ny masoandro; ary ny fampihavanana amin'ny endrika marina eo amin'Olon-droa tsy mifankahazo dia efa Soadaka; ny fanampiana ny Olona amin'ny lafiny fandaisana Azy eo amin'ny biby fitainginy dia Soadaka, na dia amin'ny fanampiana Azy fotsiny mba hiakatra ambonin'izany dia Soadaka, na koa amin'ny fibatana ireo entany ho eo ambonin'izany; ny teny tsara sy mamy aloakany vava dia Soadaka; isakin'ny famindra atao rehefa mandeha mamonjy Soalat dia Soadaka; ny fanalana an'izay manelingelina ny rehetra eny an-dàlana dia Soadaka.
[Mari-pototra] - [رواه البخاري ومسلم] - [الأربعون النووية - 26]
Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo tsirairay dia manana adidy isan'andro manao asa soa ho fanomezana an-tsitrapo amin'ny alalan'ny tsirairay amin'ireo vanin-taolany ho fankasitrahana an'i Allah amin'ny fahasalamany, sy ny nanaovany vanin-taolana eo amin'ny taolany mba ahafahany milefitra sy miampatra. Ary io fanomezana io dia mitatra amin'ny asa soa rehetra fa tsy mitsahatra amin'ny fanolorana vola ihany, ka anisan'izany ny : Ny rariny atao sy ny fampihavanana eo amin'ny olona roa mitady dia fanomezana. Ary ny fanampianao ny olona malemy hitaingina ny bibiny na mampiakatra ny entany dia fanomezana izany. Ary ny teny mamy, toy ny fahatsiarovana an'i Allah, ny fitalahoana, ny fiarahabana, sy ny sisa dia fanomezana. Ny dingana rehetra atao mankany amin'ny soalat dia fanomezana. Ary ny fanalana izay manimba na mandratra eny an-dàlana dia fanomezana.