Ny sokajy:
+ -

عَنْ مُعَاذِ بْنِ جَبَلٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: قُلْت يَا رَسُولَ اللَّهِ! أَخْبِرْنِي بِعَمَلٍ يُدْخِلُنِي الجَنَّةَ وَيُبَاعِدْنِي مِنْ النَّارِ، قَالَ:
«لَقَدْ سَأَلْتَ عَنْ عَظِيمٍ، وَإِنَّهُ لَيَسِيرٌ عَلَى مَنْ يَسَّرَهُ اللَّهُ عَلَيْهِ: تَعْبُدُ اللَّهَ لَا تُشْرِكُ بِهِ شَيْئًا، وَتُقِيمُ الصَّلَاةَ، وَتُؤْتِي الزَّكَاةَ، وَتَصُومُ رَمَضَانَ، وَتَحُجُّ البَيْتَ، ثُمَّ قَالَ: أَلَا أَدُلُّكَ عَلَى أَبْوَابِ الخَيْرِ، الصَّوْمُ جُنَّةٌ، وَالصَّدَقَةُ تُطْفِئُ الْخَطِيئَةَ كَمَا يُطْفِئُ المَاءُ النَّارَ، وَصَلَاةُ الرَّجُلِ مِنْ جَوْفِ اللَّيْلِ، ثُمَّ تَلَا: {تَتَجَافَى جُنُوبُهُمْ عَنِ الْمَضَاجِعِ} حَتَّى {بَلَغَ يَعْمَلُونَ}، ثُمَّ قَالَ: أَلَا أُخْبِرُك بِرَأْسِ الأَمْرِ وَعَمُودِهِ وَذِرْوَةِ سَنَامِهِ، فَقُلْتُ: بَلَى يَا رَسُولَ اللَّهِ، قَالَ: رَأْسُ الأَمْرِ الإِسْلَامُ، وَعَمُودُهُ الصَّلَاةُ، وَذِرْوَةُ سَنَامِهِ الجِهَادُ، ثُمَّ قَالَ: أَلَا أُخْبِرُك بِمِلَاكِ ذَلِكَ كُلِّهِ، فقُلْت: بَلَى يَا رَسُولَ اللَّه! فَأَخَذَ بِلِسَانِهِ وَقَالَ: كُفَّ عَلَيْك هَذَا، قُلْت: يَا نَبِيَّ اللَّهِ! وَإِنَّا لَمُؤَاخَذُونَ بِمَا نَتَكَلَّمُ بِهِ، فَقَالَ: ثَكِلَتْكَ أُمُّكَ وَهَلْ يَكُبُّ النَّاسَ عَلَى وُجُوهِهِمْ أَوْ قَالَ عَلَى مَنَاخِرِهِمْ إلَّا حَصَائِدُ أَلسِنَتِهِمْ»!

[صحيح] - [رواه الترمذي] - [الأربعون النووية: 29]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Mo'an-azi Ibn Jabaly (R.A), Niteny Izy ka nanao hoe : Ô Ry Irakan'i Tompo Allah ! Ambarao ireo asa mampiditra Ahy amin'ny Paradisa Aho, ary manalavitra Ahy amin'ny Afobe. Dia hoy Izy namaly Ahy hoe :
Lehibe tokoa izany zavatra anontanianao Ahy izany, saingy mora izany ho an'izay Olona nanamoran'i Tompo Allah azy. Manompoa an'i Tompo Allah ary aza manambatra Azy mihitsy amin'ny zavatra hafa, manangana ny vavaka Soalat, ary mamoaha ny Zakat, mifeheza amin'ny volana Ramadany, ary manaova ny Hadjy amin'ilay trano masina any La meque. Dia hoy Izy avy teo : Tsy atoroko Anao ve ireo varavaran'ny hatsarana ? Ny fifehezana dia fiarovana, ny Soadakah dia manototra ny fahotana ohatra ny rano mamono ny afo, ary toraka izany ihany koa ny Soalat ataon'ny Olona mandritry ny sasak'alina. Avy teo namaky (ireto andininy soratra masina ireto) Izy : {Miarina miala ny fandriana izy ireo…}, hatramin'ny : {…nataon'izy ireo} [32:16-17]. Dia hoy Izy avy teo : Tsy ambarako Anao ve ny lohan'ny zava-drehetra sy ny andriny ary ny tampony ambony indrindra? Dia nilaza Aho hoe : Eny, ry Irakan'i Tompo Allah!. Dia hoy Izy:Ny lohan'ny zava-drehetra dia ny finoana silamo, ary ny Soalat no andrin'izany, ary ny ady masina (Djihady) no tampony ambony indrindra. Dia hoy Izy avy teo : Tsy ambarako Anao ve ny fomba ahazoanao an'izany rehetra izany ? Dia nilaza Aho hoe : Eny, ry Irakan'i Tompo Allah !. Dia noraisiny ny lelany ka hoy Izy : Fehezo ity. Dia hoy Aho: Ry Irakan'i Tompo Allah! Ngaha mbola ho tsaraina amin'izay teneninay izahay ? Dia hoy Izy: Andray ! Izany lozanao! Inona moa no tena mahatonga ny Olona hatsipy amin'ny tarehin'izy ireo na amin'ny oron'izy ireo mankao amin'ny Afobe; raha tsy ireo vokatry ny lelan'izy ireo ?

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Tirmizì] - [الأربعون النووية - 29]

Ny fanazavana

Nilaza i Moaz : “Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho teny an-dàlana, ary indray andro dia nanakaiky azy aho raha nandeha izahay, ka hoy aho : Ry irak’Allah! lazao ahy ny zavatra izay hitondra ahy any amin’ny Paradisa sy hanalavitra ahy amin’ny afo. Hoy izy namaly : Nanontany ahy momba ny asa lehibe hatao ho an’ny fanahy tokoa ianao, ary ho mora sy maivana izany ho an’izay namaivanin’I Allah izany; tanteraho ireo didin'ny finoana silamo :
Ny voalohany: Manompoa an'I Allah irery ihany ianao ary aza mampitambatra Azy amin'ny hafa.
Ny faharoa : Manatanteraka ireo vavaka tsy maintsy atao amin’ny andro sy ny alina : ny fajr, ny zohr, ny asr, ny maghrib ary ny isha, dia atao araka ny fepetra takina aminy sy ny andriny ary ireo zavatra tsy maintsy atao aminy.
Ny fahatelo : Ny famoahanao ny zakat tsy maintsy atao, izy io dia fanompoana tsy maintsy atao amin'ny harena rehetra izay mahatratra ny fetra voafaritra ao amin'ny lalàna omena ireo olona izay mendrika azy.
Ny fahefatra : Fifehezana Ramadany, dia ny fitazoman-tena amin'ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny zavatra hafa manapaka ny fifehezana miaraka amin’ny fikasana hanompo, manomboka amin’ny maraina ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro.
Ny fahadimy : Manatanteraka Haj miaraka amin'ny fikasana ho any Lameka mba hanao ireo fombafomba, ho fanompoana an'I Allah ilay Tsitoha.
Dia hoy izy (S.A.W) : Tsy hampahafantariko anao ve ny làlana mankany amin’ny varavaran’ny fahatsarana? Izany dia atao amin'ny fanarahana ireto adidy ireto miaraka amin'ny asa fanompoana an-tsitrapo :
Voalohany : Fifehezana an-tsitrapo, izay manakana ny olona iray tsy ho tafalatsaka amin’ny fahotana amin’ny alàlan’ny famotehana ny faniriana sy ny fampihenana ny hery.
Faharoa : Ny swadaka an-tsitrapo dia mamono ny ota vita rehetra, manala azy ary mamafa ny vokany.
Fahatelo : Ny vavaka Tahajjod amin'ny ampahatelony farany amin'ny alina, avy eo izy (S.A.W) namaky ny tenin'ny Tompo Allah manao hoe : "Miarina ny tavany" midika hoe : manalavitra "amin'ny fandriana" izany hoe : fandrina. “Miantso ny Tompony” amin’ny alàlan’ny vavaka , ny fahatsiarovana -zikr-, ny famakiana sy ny fitalahoana, {amim-pahatahorana sy amim-panantenana, ary dia mizara amin’izay natolotray ho azy izy ireo, Tsy misy ny mahafantatra izay nomanina ho azy ireo, ho fifalian’ny maso} Izany hoe ny fahasambarana izay hampifaly ny masony amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty sy any amin’ny Paradisa, {mba ho valisoan’izay nataon’izy ireo}.
Aorian'izany dia niteny ny Mpaminany (S.A.W) : Tsy ampahafantariko anao va ny fototry ny finoana? Ary ny andry iankinany? Ary ny faratampony aminy?
Hoy i Moaz (R.A) : Eny, ry irak'Allah.
Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Ny lohan'ny raharaha : Ny finoana silamo, izany dia fijoroana vavolombelona roa, ary miaraka amin'izy roa ireo no ahazoan'ny olona ny fototry ny finoana. Ny andriny dia ny swalat, tsy misy ny finoana raha tsy misy ny swalat, toy ny trano tsy misy fototra. Ka izay nanao swalat dia mafy orina ny finoany sy niakatra; Ny faratampony sy ny haavony dia amin'ny alàlan'ny jiady sy ny fiezahana hiady amin'ny fahavalon'ny finoana mba hanandratana ny tenin'I Allah.
Avy eo dia nilaza izy (S.A.W) : Tsy ho lazaiko aminao ny fanamafisana sy ny fanatsarana izay voalaza etsy ambony? dia nihazona ny lelany ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny manao hoe : sakano ity ary aza miresaka izay tsy mahasoa anao. Ary hoy Moaz : Ho sazin'ny Tompontsika sy ho tsarainy va isika amin'izay rehetra lazaintsika?
Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Namoy anao ny reninao! Tsy Doan ratsy ho azy no tiana holazaina amin’izany fa tenin’ny Arabo mba hanairana azy amin’ny raharaha izay tokony ho nodinihiny sy ho fantany, avy eo dia hoy izy : Misy zavatra manipy ny olona ve ka ho lavo amin’ny tavan’izy ireo any amin’ny afo, afa-tsy ny fijinjana ny vokatry ny lelany avy amin’ny tsy finoana, fanaratsiana, fanompana, fanalam-baraka, fifosana, tatidresaka, fanendrikendrena sy ny toy izany?

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Filazana ny ezaka nataon'ireo mpanaradia tamin’ny fahalalana, ka izany no antony nanontan'izy ireo matetika ny Mpaminany.
  2. Ny fahatakaran'ireo mpanaradia (R.A), satria fantany fa ny asa no antony hidirana ao amin'ny Paradisa.
  3. Fanontaniana lehibe tokoa ilay fanontaniana nipoitra avy tamin’i Moaz (R.A); Satria tena marina izy io no tsiambaratelon'ny fiainana sy ny fisiany, ka izay rehetra mitoetra eto an-tany amin'ny olombelona na ny jiny dia fiafarany na ny paradisa na ny afobe, noho izany dia lehibe io fanontaniana io.
  4. Ny fidirany ao amin'ny Paradisa dia mifototra amin'ny fanatanterahana ireo andry dimy amin'ny finoana silamo, dia ny : ny fijorona vavolombelona roa, ny swalat, ny zakat, ny fifehezana ary ny Haj.
  5. Ny lohan'ny finoana, ny asa sarobidy indrindra ary ny andraikitra ambony indrindra dia ny fanokanana an'I Allah irery amin'ny fanompoana, tsy misy mpiara-miombina Aminy.
  6. Famindram-pon’I Allah amin’ny mpanompony dia ny namohany ny varavaran’ny hatsarana ho azy ireo mba hahazoany valisoa sy famelan-keloka.
  7. Ny hasin'ny fanaovana vavaka an-tsitrapo aorian'ny fanaovana ny vavaka tsy maintsy atao.
  8. Ny vavaka ao amin’ny finoana silamo dia toy ny andry ijoroan’ny tranolay iray, izay manjavona ny finoana silamo noho ny fialany, toy ny firodanan’ny tranolay rehefa mianjera ny andry.
  9. Ilaina ny miaro ny lela amin’izay hanimba ny olona iray amin’ny finoany.
  10. Ny famehezana ny lela sy ny fampahitsiana azy ary ny fampanaran-dalàna azy no fototry ny fahatsarana rehetra.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Tailandia Alimanina Pasito Asamia Albany Amharika Gojratia Kargaria Nepalianina Litoanianina Aldoria serbianina Tajakianina Keniaroandia Hongariana Tsekianina الموري Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny
Ireo sokajy
Fanampiny