+ -

عن العِرْباضِ بن ساريةَ رضي الله عنه قال:
قام فينا رسول الله صلى الله عليه وسلم ذات يوم، فوَعَظَنا مَوعظةً بليغةً وَجِلتْ منها القلوبُ، وذَرَفتْ منها العيونُ، فقيل: يا رسول الله، وعظتَنَا موعظةَ مُودِّعٍ فاعهد إلينا بعهد. فقال: «عليكم بتقوى الله، والسمع والطاعة، وإن عبدًا حبشيًّا، وسترون من بعدي اختلافًا شديدًا، فعليكم بسنتي وسنة الخلفاء الراشدين المهديين، عَضُّوا عليها بالنواجِذ، وإياكم والأمور المحدثات، فإن كل بدعة ضلالة».

[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي وابن ماجه وأحمد] - [سنن ابن ماجه: 42]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Al-Irbadhi Bin Sariya (R.A) niteny :
Nitsangana teo aminay ilay Irak'I Allah indray andro, ka nampatsiahy tamin’ny fampatsiahivana izay nampatahotra ny fo, sy nahalatsa-dranomaso. Ka nisy ny niteny taminy manao hoe: ry Irak’I Allah! Toa fampatsiavana maka endrika ho fanomezam-beloma izy izany ka hanaro izahay, dia niteny izy hoe : “Aoka ianareo hataotra an’I Allah, sy hiaino sy hankatoa, eny fa na dia andevo mainty oditra aza (mitondra anareo), ho hitanareo ao aoriako ny disadisa henjana, ka fikironareo mafy ny fomba amam-panoako, sy ny an’ireo mpandimby ahy, mpitarika, marina, kaikero amin'ny vanginareo (fikiro mafy, aza avela), Ary mitandrema amin'ny zava-baovao noforonina, fa ny zava-baovao rehetra dia fahaverezana.

[Mari-pototra] - [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad] - [Sonan Ibn Màjah - 42]

Ny fanazavana

Nananatra ireo mpanaradiany ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny toriteny mafonja izay nampatahotra ny fo sy nahalatsa-dranomaso ny maso. Hoy izy ireo : “Ry irak’Allah ô, toy ny toriteny fanaovam-beloma izany, satria hitan’izy ireo ny fanamafisana nataony tamin’ny toriteny, ka nangataka izy ireo torohevitra hifikirana ao aoriany, Hoy izy : Manoro hevitra anareo aho mba hatahotra an’ I Allah Ilay Tsitoha, amin’ny fanaovana ny adidy tsy maintsy atao sy ny fialana amin’ny zavatra voarara. Ary ny fihainoana sy ny fankatoavana, izany hoe : amin'ireo mpitondra, na dia andevo aza no mpitondra eo aminareo na manjaka aminareo, izany hoe, ny ambany indrindra amin'ny zavaboary no lasa mpitondra anareo, dia aza miala amin'izany ary mankatoava azy, noho ny tahotra amin'ny fisian'ny korontana (fitna), fa izay hiaina eo aminareo any aoriana dia hahita fifandirana lehibe. Avy eo dia nohazavainy tamin’izy ireo ny làlana hivoahana amin’izany tsy fitovian-kevitra izany, dia amin’ny alàlan’ny fifikirana ny fomba amam-panaony sy ny fomba amam-panaon’ireo mpandimby Azy izay mahitsy sy marina ao aoriany, Abi Bakr Al-Siddiq, Omar bin Al-Khattàb, Othman bin Àffàn, ary Ali bin Abi Tàlib, ho faly amin'izy rehetra anie Allah, ary ny fanaikerana azy amin'ny vangy dia midika ho faran-tampony amin'ny fifikirana ny fomba ama-panaony (sonnat ). Ary nampitandrina azy ireo ny Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny zava-baovao sy ny forona amin’ny fivavahana, satria ny zava-baovao rehetra dia fahaverezana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Aigoria Bengaly Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Alimanina Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina Kanadianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha zava-dehibe ny fifikirana ny Sonnat sy ny fanarahana azy.
  2. Ny firaharahana momba ny fananarana sy ny fanalefahana ny fo.
  3. Ny baiko mandidy ny fanarahana ireo mpitondra marina sy mahitsy, efatra taoriany dia i Abo Bakr, Omar, Othman ary Ali, ho faly amin'izy ireo anie I Allah.
  4. Fandrarana amin'ny famoronana eo amin'ny lafiny finoana, ary ny forona rehetra dia fahaverezana.
  5. Ny fihainoana sy ny fankatoavana an'ireo mpitondra raharahan'ny mpino silamo raha tsy misy fahotana.
  6. Ny maha zava-dehibe ny fatahorana an'I Allah Ilay Tsitoha amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toe-javatra rehetra.
  7. Tena zava-misy amin’ity vahoaka ity ny tsy fitovian-kevitra, ary rehefa mitranga izany dia ilaina ny miverina amin’ny Sonan’ny irak’Allah sy ireo Kalifa mpanaraka ny fahamarinana.
Fanampiny