+ -

عَنْ أَبِي عَبْدِ الرَّحْمَنِ السُّلَمي رحمه الله قَالَ:
حَدَّثَنَا مَنْ كَانَ يُقْرِئُنَا مِنْ أَصْحَابِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ أَنَّهُمْ كَانُوا يَقْتَرِئُونَ مِنْ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَشْرَ آيَاتٍ، فَلَا يَأْخُذُونَ فِي الْعَشْرِ الْأُخْرَى حَتَّى يَعْلَمُوا مَا فِي هَذِهِ مِنَ الْعِلْمِ وَالْعَمَلِ، قَالُوا: فَعَلِمْنَا الْعِلْمَ وَالْعَمَلَ.

[حسن] - [رواه أحمد] - [مسند أحمد: 23482]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abi Abdor-Rahmàny As-Solamÿ (R.D) Niteny hoe :
Nanambara Anay ireo izay nampianatra Anay mamaky ny Boky masina Koroany tamin'ireo Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W.A) fa izy ireo dia mamaky andininy folo tamin'ny Irakan' i Tompo Allah (S.W.A), ka tsy manampy andinin'ny folo hafa mihitsy raha tsy efa mahalala ny dikany sy mampihatra azy ireo tsenky aloha, ka Nilaza izy ireo hoe : Azonay ny fahalalana ary nataonay ny asa.

[Tsara] - [Notantarain'i Ahmad]

Ny fanazavana

Ireo mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W,A) dia nandray andininy folo ao anatin'ny Boky masina Koroany avy amin'ny Mpaminany (S.W.A), ary tsy mifindra amin'ny andininy hafa raha tsy efa nahay sy nampihatra tsara ireo andininy folo azony izy ireo, ka nahalala izy ireo no sady nampihatra izany rehetra izany avy hatrany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hasin'ireo Mpanaradia (R.D) sy ny fahazotoan'izy ireo hianatra ny Boky masina Koroany.
  2. Ny fianarana ny Boky masina Koroany dia amin’ny alàlan’ny fahalalana sy ny fampiharana izay ao anatiny fa tsy amin’ny famakiana sy fanaovana tsianjery azy fotsiny.
  3. Ny fahalalana dia mialohan'ny fitenenana sy ny asa.
Fanampiny