Ny boky masina CORAN sy ny siansa

26Lisitr'ireo Hadith 5Fisokajiana sampantsampany

Lisitr'ireo Hadith 26

Mifikira amin'ity boky masina coran ity ianareo, izaho mianiana amin'ilay mitazona ny fofon'ain'i Mouhammad eo am-pelatànany fa izy io dia mora mivaha mihoatra ny rameva amin'ny tadiny
Ny tsara indrindra aminareo dia izay mianatra ny CORAN sy mampianatra izany amin'ny hafa
“Aza ataonareo ho toy ny fasana ny tranonareo, tena marina fa mandositra ny trano namakiana ny Sorat Al-Baqarah i Satana.”
Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat Al-Bakarat amin'ny alina dia lazaina fa ampy ho azy izany
Izay namaky litera iray ao amin'ny Koroany dia hahazo hasoavana amin'izany, ka ny hasoavana iray ho hampitombona folo avo heny
I Mpaminany (S.A.W) dia mahatsiaro sy midera an'i Allah tamin'ny fotoanany rehetra
“Niteny Allah ilay Tsitoha manao hoe : Nozaraiko roa ny soalat eo Amiko sy ny Mpanompoko, ary azon’ny mpanompoko izay angatahiny
Ry dadatoa,: lazao hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, teny izay hiadiako hevitra ho anao amin’i Allah.”
“Ny mpino mamaky ny kor'any dia tahaka ny voankazo Otroja, ny fofony dia manitra ary ny tsirony dia mamy, ary ny mpino tsy mamaky ny kor'any dia toy ny atrendry, tsy misy fofona fa ny tsirony dia mamy
Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra
Aseho amin'ny endrika ondry lahy mana-tandroko ny fahafatseana
Aza mino ny Olon’ny Boky Ianareo ary aza lavina ihany koa ny voalazan'izy ireo, Saingy lazao fotsiny ny hoe : { Mino an'i Tompo Allah Izahay sy ireo izay nampidininy Aminay }
Tsy fantatry ny Mpaminany (S.A.W) ny fisaran'ny toko (Sourat) ao amin'ny Boky masina Koroany teo aloha raha tsy efa nidina ny teny hoe Bismillahir-rahmànir-rahim (Amin'ny Anaran'i Allah ilay be fiantrana sy be famindram-po)
“Holazaina amin’izay mpamaky ny boky masina Koroany fa hoe : Mamakia sy miakara ary vakio tsara toy ny fanaonareo teny ambonin'ny Tany, Satria ny toeramboninahitra omena anao farany dia eo amin’ny andininy farany izay vakinao ”
dia mamaky andininy folo tamin'ny Irakan'i Allah (S.A.W), ka tsy manampy andinin'ny folo hafa mihitsy raha tsy efa mahalala ny dikany sy mampihatra azy ireo tsenky aloha
O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy lehibe indrindra ao amin'ny Bokin'i Tompo Allah ? " Namaly Izy hoe : Niteny Aho : {Alloahou Là ilàha illà howal hay-youle- Qayuòmou} [Al-bakarat: 255]. Nilaza Izy ary nikapohiny kely ny Tratrako, ary Nilaza Izy hoe : " Hitoetra am-pahasambarana tsara ao Am-ponao anie ny fahalalana ry Abal-Monzhir
Fa i Mpaminany (S.W.A) rehefa matory eo am-pandriana isakin'ny alina dia manambatra ny felatànany roa, ary tsofiny eo Aminy ny, { Qol howalloahou Ahado } sy { Qol ao'zhou birabbil falaq} ary { Qol ao'zhou birabbin-Nàsy }
“Nianjeran'ny fahatezerana ny Jiosy, ary very làlana ny Kristianina.”
Koa raha Hitanareo izay manaraka andininy mitovitovy amin’izany, dia ireo no nolazain'i Tompo Allah, koa mitandrema amin’izy ireo ihany koa
Tsaraina amin'ny fitaka sy fikomiana ary ny lainga nataon'izy ireo ary ny fanasazina izay nataonao tamin'izy ireo
Eny tokoa, fa ny zavatra lazainao sy anentananao dia tsara tokoa, ka raha lazainao anay anefa fa mbola misy famelana ireo heloka vitanay
Ry vahoaka (mpino), nesorin’Allah taminareo ny vesatry ny habadoana sy ny fanomezanareo voninahitra ny razanareo noho izany
{Eny, tsy maintsy hanontaniana ianareo, amin'izany andro izany, mikasika ireo anjaram-pahasoavana.}
Izay mahay tsianjery andininy folo manomboka amin'ny fiandohan'ny Surah Al-Kahf dia ho voaro amin'ny Dajjal (Antikristy)." Ary amin'ny fitantarana iray : "Amin'ny faran'ny Sorat Al-Kahf
Nambara tamiko ireo andininy - na nilatsaka - izay tsy mbola hita hatrizay hatrizay, dia ireo fiarovana roa
Tena marina fa efa voarara ny fisotroana toaka