1. Ny fototra
  2. Ireo fisokajiana
  3. Ny foto-pinoana

Resaka Eny tokoa, fa ny zavatra lazainao sy anentananao dia tsara tokoa, ka raha lazainao anay anefa fa mbola misy famelana ireo heloka vitanay

عَنِ ‌ابْنِ عَبَّاسٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا:
أَنَّ نَاسًا مِنْ أَهْلِ الشِّرْكِ، كَانُوا قَدْ قَتَلُوا وَأَكْثَرُوا، وَزَنَوْا وَأَكْثَرُوا، فَأَتَوْا مُحَمَّدًا صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَقَالُوا: إِنَّ الَّذِي تَقُولُ وَتَدْعُو إِلَيْهِ لَحَسَنٌ، لَوْ تُخْبِرُنَا أَنَّ لِمَا عَمِلْنَا كَفَّارَةً، فَنَزَلَ {وَالَّذِينَ لا يَدْعُونَ مَعَ اللهِ إِلَهًا آخَرَ وَلا يَقْتُلُونَ النَّفْسَ الَّتِي حَرَّمَ اللهُ إِلا بِالْحَقِّ وَلا يَزْنُونَ}[الفرقان: 68]، وَنَزَلَت: {قُلْ يَا عِبَادِيَ الَّذِينَ أَسْرَفُوا عَلَى أَنْفُسِهِمْ لا تَقْنَطُوا مِنْ رَحْمَةِ اللهِ} [الزمر: 53].

Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A) :
Ireo vahoaka mpanompo sampy efa namono olona im-betsaka sy nijangajanga be dia be, ka tonga nanatona an'ny mpaminany Mohammad (S.A.W) izy ireo ary niteny hoe : Eny tokoa, fa ny zavatra lazainao sy anentananao dia tsara tokoa, ka raha lazainao anay anefa fa mbola misy famelana ireo heloka vitanay, teo dia nilatsaka ny andininy masina manao hoe : “Ary izay tsy mangataka amin'ny Tompo hafa, miaraka amin'Allah, sy tsy mamono ny aina izay nataon'Allah voarara, raha tsy amin'ny fahamarinana, ary tsy mijangajanga}. -[Forqan : 68], ary nilatsaka koa ny andininy hafa hoe: “Lazao hoe : Ry mpanompoko, izay nanao ny tafahoatra tamin'ny tenany, aza very fanantenana amin'ny famindram-pon'Allah ianareo.” [Al-Zomar: 53].

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 4810

Ny fanazavana

Nisy lehilahy mpanompo sampy nanatona ny Mpaminany (S.A.W) ary efa be dia be ny vonoan'olona sy ny fijangajangana nataony, dia hoy izy ireo tamin'ny Mpaminany (S.A.W) : "Ny zavatra iantsoanao amin'ny finoana Islam sy ny fampianarany dia zavatra tsara." , ka ahoana ny toe-piainanay sy ny fanompoan-tsampy nataonay sy ny fahotana lehibe? Misy famelana ve izany?
Koa nidina ireo andininy roa ireo, izay naneken’Allah ny fibebahan’ny olona na teo ny fahotana betsaka sy lehibe vitany, ary raha tsy izany, dia ho nanohy ny tsy finoany sy ny fandikan-dalàna ary tsy niditra tamin’io finoana io izy ireo.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahasoavana sy ny halehiben'ny finoana Islam ary ny famotehana ny fahotana teo alohany.
  2. Ny haben’ny famindrampon’Allah sy ny famelan-kelony ary ny fandeferany ho an’ireo mpanompony.
  3. Fandrarana ny fanompoan-tsampy, fandrarana ny famonoana olona amin'ny tsy ara-dalàna, ny fandrarana ny fijangajangana, ary ny fandrahonana ireo izay manao izany fahotana izany.
  4. Ny fibebahana amin-kitsimpo miaraka amin’ny fahadiovam-po sy ny asa soa dia manafoana ny fahotana lehibe rehetra, anisan’izany ny tsy finoana an’Allah ilay Tsitoha.
  5. Voarara ny famoizam-po sy ny fahakivina amin'ny famindrampon'Allah ilay Be voninahitra.

Fanehoana ny dikan-teny

61 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
UR اردو الأوردية
ES Español الإسبانية
ID Indonesia الإندونيسية
UG ئۇيغۇرچە الأيغورية
BN বাংলা البنغالية
FR Français الفرنسية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
TA தமிழ் التاميلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
DE Deutsch الألمانية
JA 日本語 اليابانية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
KY Кыргызча القيرقيزية
NE नेपाली النيبالية
YO Yorùbá اليوروبا
LT Lietuvių الليتوانية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
SO Soomaali الصومالية
TG тоҷикӣ الطاجيكية
RW Kinyarwanda الكينياروندا
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
CS Čeština التشيكية
MOS Moore الموري
IT Italiano الإيطالية
OM Oromoo الأورومو
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan الأذربيجانية
UZ O‘zbek الأوزبكية
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية