عن عبد الله بن مسعود رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«مَنْ قَرَأَ حَرْفًا مِنْ كِتَابِ اللهِ فَلَهُ بِهِ حَسَنَةٌ، وَالْحَسَنَةُ بِعَشْرِ أَمْثَالِهَا، لَا أَقُولُ {الم} حَرْفٌ، وَلَكِنْ {أَلِفٌ} حَرْفٌ، وَ{لَامٌ} حَرْفٌ، وَ{مِيمٌ} حَرْفٌ».

[حسن] - [رواه الترمذي] - [سنن الترمذي: 2910]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Massoudi (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay namaky litera iray ao amin'ny Koroany dia hahazo hasoavana amin'izany, ka ny hasoavana iray ho hampitombona folo avo heny fa Izaho kosa tsy hiteny hoe : {Alif, Lam, Mim} ho litera iray, fa ny {Alif} dia litera ary ny {Lam} dia litera ary ny {Mim} dia litera ihany koa".

[Tsara] - [Notantarain'i Al-Tirmizì] - [Sonan At-Tirmizì - 2910]

Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino tsirairay mamaky ny litera ao amin'ny bokin'Allah dia hahazo valisoa, ary hampitombona io valisaoa io hatramin'ny folo avo heny.
Avy eo dia nanazava i Mpaminany (S.A.W) amin'ny teniny manao hoe : (Tsy hiteny aho hoe : {Alif, Lam, Mim} litera iray, fa ny {Alif} dia raisina ho litera iray ary ny {Lam} ihany koa dia litera iray ary ny {Mim} dia litera iray : Ka ny litera telo dia hahazoana valisoa telopolo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana amin'ny famakiana im-betsaka ny boky masina Koroany.
  2. Ho an'ny mpamaky tsirariay dia hahazo valisoa maro ary hohampitombona folo izany isaky ny andininy vakiany.
  3. Ny haben’ny famindram-po sy ny fahalalahan-tànan’Allah, satria nampitomboiny ny valisoa ho an’ny mpanompony noho ny fahasoavany sy ny fahalalahan-tànany.
  4. Ny fahamboniana ny CORAN noho ny teny hafa, ary entina manompo an'Allah ny famakiana azy; Izany dia satria tenin’Allah Tsitoha izy.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (62)