عن عبد الله بن مسعود رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«مَنْ قَرَأَ حَرْفًا مِنْ كِتَابِ اللهِ فَلَهُ بِهِ حَسَنَةٌ، وَالْحَسَنَةُ بِعَشْرِ أَمْثَالِهَا، لَا أَقُولُ {الم} حَرْفٌ، وَلَكِنْ {أَلِفٌ} حَرْفٌ، وَ{لَامٌ} حَرْفٌ، وَ{مِيمٌ} حَرْفٌ».
[حسن] - [رواه الترمذي] - [سنن الترمذي: 2910]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Massoudi (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay namaky litera iray ao amin'ny Koroany dia hahazo hasoavana amin'izany, ka ny hasoavana iray ho hampitombona folo avo heny fa Izaho kosa tsy hiteny hoe : {Alif, Lam, Mim} ho litera iray, fa ny {Alif} dia litera ary ny {Lam} dia litera ary ny {Mim} dia litera ihany koa".
[Tsara] - [Notantarain'i Al-Tirmizì] - [Sonan At-Tirmizì - 2910]
Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino tsirairay mamaky ny litera ao amin'ny bokin'Allah dia hahazo valisoa, ary hampitombona io valisaoa io hatramin'ny folo avo heny.
Avy eo dia nanazava i Mpaminany (S.A.W) amin'ny teniny manao hoe : (Tsy hiteny aho hoe : {Alif, Lam, Mim} litera iray, fa ny {Alif} dia raisina ho litera iray ary ny {Lam} ihany koa dia litera iray ary ny {Mim} dia litera iray : Ka ny litera telo dia hahazoana valisoa telopolo.