+ -

عن أبي مسعود رضي الله عنه قال: قال النبي صلى الله عليه وسلم:
«مَنْ قَرَأَ بِالْآيَتَيْنِ مِنْ آخِرِ سُورَةِ الْبَقَرَةِ فِي لَيْلَةٍ كَفَتَاهُ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 5009]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Ibn Massoudi (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat Al-Bakarat amin'ny alina dia lazaina fa ampy ho azy izany".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 5009]

Ny fanazavana

Nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay mamaky andininy masina roa farany amin'ny Sourat Al-bakarat amin'ny alina, dia Tompo Allah hiaro azy amin'ny ratsy rehetra, ary nilaza koa fa hoe : Ampy ho azy amin'ny fivavahana amin'ny alina, ary misy milaza hoe : Ampy ho azy amin'ireny tonombavaka ireny, ary misy nilaza hoe : Ampy vakina mandritra ny fivavahana amin'ny alina, ary misy milaza ankoatr'izany, fa ny rehetra voalaza dia marina mameno ny hevitra rehetra.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Italianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana tombotsoan'ireo andininy farany ao amin'ny Sourat Al-bakarat, ary izany dia manomboka eo amin'ny tenin'i Allah hoe : ( Àmanar-Rasòli...) ka hatramin'ny faran'ny Sourat.
  2. Andininy masina farany amin'ny Sourat Al-bakarat dia miaro ny mpamaky azy amin'ireo haratsina sy ny loza ary ny devoly raha mamaky izany amin'ny alina.
  3. Ny alina dia manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro ary mifarana amin'ny maraina.