عَنْ أَنَسٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ:
كُنْتُ سَاقِيَ القَوْمِ فِي مَنْزِلِ أَبِي طَلْحَةَ، وَكَانَ خَمْرُهُمْ يَوْمَئِذٍ الفَضِيخَ، فَأَمَرَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ مُنَادِيًا يُنَادِي: أَلاَ إِنَّ الخَمْرَ قَدْ حُرِّمَتْ، قَالَ: فَقَالَ لِي أَبُو طَلْحَةَ: اخْرُجْ، فَأَهْرِقْهَا، فَخَرَجْتُ فَهَرَقْتُهَا، فَجَرَتْ فِي سِكَكِ المَدِينَةِ، فَقَالَ بَعْضُ القَوْمِ: قَدْ قُتِلَ قَوْمٌ وَهِيَ فِي بُطُونِهِمْ، فَأَنْزَلَ اللَّهُ: {لَيْسَ عَلَى الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ جُنَاحٌ فِيمَا طَعِمُوا} [المائدة: 93] الآيَةَ.

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny :
Mpanome rano olona tao an-tranon’i Abo Talha aho, ary be dia be ny divain’izy ireo tamin’io andro io, ka naniraka olona hiantsoantso i Mpaminany (S.A.W) hoe : Tena marina fa efa voarara ny fisotroana toaka hoy izy : Dia niteny tamiko i Abo Talha manao hoe : Mivoaha ary ario izany ka nariako tokoa ireo toaka, ka niparitaka teny amin’ny araben’i Madina. Niteny ny olona sasany hoe : Nisy vahoaka novonoina raha mbola tao an-kibony izany, ka nampidinin'Allah ilay andininy masina hoe : {Tsy manan-tsiny amin’izay mino sy manao ny marina ny amin’izay nohaniny} [Al-Maidat: 93] ny andininy.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 2464

Ny fanazavana

Anas bin Malik (R.A) no nitantara fa nanome rano ho an'ireo izay tao an-tranon'ny raikeliny Abo Talha (R.A), ary ny divain'izy ireo tamin'izany fotoana izany dia Al-Fadhikh, fifangaroan’ny atrendry sy Bosra, rehefa niantso ny mpiantso avy amin’ny irak’Allah (S.A.W) niteny hoe : Tena marina fa efa voarara ny toaka, dia hoy izy : Hoy i Abo Talha tamiko : Mivoaha, ahidino sy ario izany. Dia nivoaka aho ka nandraraka sy nanary izany, dia nikoriana teny amin’ny araben’i Madina ny divay sasany, dia niteny sasany tamin'ireo olon hoe : Nisy tamin’ireo mpanaradia no novonoina raha mbola nisy toaka tao an-kibon’izy ireo, teo dia nampidinin'Allah ilay andininy masina milaza hoe :
{Tsy misy tsiny amin’izay mino sy manao asa soa amin’izay nohaniny} [Al-Maidat : 93] Andininy. Izany hoe : izay mino dia tsy tompon’andraikitra amin’ny divay nohaniny sy nosotroiny talohan’ny nandrarana izany.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hasin’i Abo Talha sy ireo mpanaradia, dia ny famalian’izy ireo ny didin’I Allah haingana sy tsy misy fanontaniana, ary izany no tokony hataon’ny tena mpino silamo.
  2. Ny toaka dia : Anarana feno ho an'ny zava-mahamamo rehetra.
  3. Al-Fadhikh : zava-pisotro vita amin'ny basr sy atrendry tsy nokasihin'ny afo, ary basr : voan'ny rofia izy io alohan'ny handaniana azy.
  4. Hoy I Ibn Hajar : Hoy i Al-Mohallab : Nandraraka divay teny an-dàlana ianao mba hanambarana ny fandavana azy sy hanambarana ny fandaozany azy, ary azo inoana kokoa izany fa mahasoa kokoa noho ny fandrarahana izany eny an-dàlana.
  5. Fanazavana ny amin’ny famindram-pon’Allah amin’ny mpanompony, ary tsy ho tsaraina amin’izay ataony mialohan'ny fidinan'ny didy.
  6. Noraran’Allah Tsitoha ny toaka; Noho ny faharatsiana ao anatiny izay manimba ny saina sy ny vola, ary noho izany dia manao fahotana maro ny olona amin'ny fahaverezan'ny sainy.

Fanehoana ny dikan-teny

41 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
ID Indonesia الإندونيسية
BN বাংলা البنغالية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
TA தமிழ் التاميلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية