+ -

عن ابن عمر رضي الله عنهما قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«كل مُسْكِرٍ خَمْرٌ، وكل مُسْكِرٍ حرام، ومن شرِب الخمر في الدنيا فمات وهو يُدْمِنُهَا لَمْ يَتُبْ، لَمْ يَشْرَبْهَا في الآخرة».

[صحيح] - [رواه مسلم وأخرج البخاري الجملة الأخيرة منه] - [صحيح مسلم: 2003]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny zava-mahamamo rehetra dia toaka, ary ny zava-mahamamo rehetra dia voarara, ary izay misotro toaka eto an-tany ka maty amin'ny fiankinan-doha amin'izany ary tsy nibebaka, dia tsy hisotro izany any ankoatra."

[Mari-pototra] - - [Sahìh Moslim - 2003]

Ny fanazavana

Nazavain’ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa izay rehetra manarona ny saina sy mamery azy dia toaka mahamamo, na zava-pisotro izany, na sakafo, na fohana, na hafa ankoatr'izany, ary izay rehetra mahamamo sy mamery saina dia noraran'I Allah sy nosakanany, na kely aminy na betsaka, Ary izay rehetra nisotro ireo karazana zava-mahamamo ireo ka nanohy nisotro izany ary tsy nibebaka mandra-pahafatiny; dia mendrika ny hahazo famaizan’I Allah izy, ka tsy hisotro izany ao amin’ny Paradisa.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Aigoria Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Keniaroandia Romaniana الموري Oromianina Kanadianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny antony nandrarana ny toaka dia noho izy mahamamo,ka izay rehetra mahamamo, na inona na inona ny karazany dia voarara avokoa.
  2. Noraran’I Allah ny toaka. Noho ny fahavoazana lehibe sy ny faharatsiana ao anatiny.
  3. Ny fisotroana toaka ao amin'ny Paradisa dia isan'ny mameno ny fahafinaretana sy ny fahasambarana tanteraka.
  4. Izay tsy nahafehy ny tenany tamin'ny fisotroana toaka teto an-tany dia horaran'I Allah tsy hisotro izany izy any amin’ny Paradisa, satria mitovy karazana amin’ny asa ny valisoa.
  5. Famporisihana mba hibebaka amin'ny fahotana mialohan'ny fahafatesana.
Fanampiny