عن أنس رضي الله عنه أن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«جَاهِدُوا المشركين بأموالكم وأنفسكم وألسنتكم».
[صحيح] - [رواه أبو داود والنسائي وأحمد] - [سنن أبي داود: 2504]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Miadia amin’ireo mpanompo sampy amin'ny alàlan'ny volanareo sy ny ainareo ary ny lelanareo”.
[Mari-pototra] - [رواه أبو داود والنسائي وأحمد] - [Sonan Abo Daòd - 2504]
Nandidy ny jiady hanoherana ny tsy mpino ny Mpaminany (S.A.W) ary niezaha ny hiatrika azy ireo amin'ny fomba rehetra mba hahatonga ny tenin'I Allah ho ambony indrindra, ao anatin'izany :
Voalohany : Fandaniana ny vola aman-karena mba hanoherana azy ireo, avy amin'ny fividianana fitaovam-piadiana sy fanampiana ireo mpano jiady sy ny toy izany.
Faharoa : Mivoaka miaraka amin'ny vatana sy fanahy, hihaona sy hanosika azy ireo.
Fahatelo : Amin’ny fiantsoana azy ireo amin’io finoana io amin’ny teny am-bava, fametrahana porofo hanoherana azy ireo, fananarana azy ireo ary famaliana azy ireo.