+ -

عن عبد الله بن عمرو رضي الله عنهما عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«مَنْ قَتَلَ مُعَاهَدًا ‌لَمْ ‌يَرَحْ ‌رَائِحَةَ الْجَنَّةِ، وَإِنَّ رِيحَهَا تُوجَدُ مِنْ مَسِيرَةِ أَرْبَعِينَ عَامًا».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 3166]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Amro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Izay mamono ny mpanao fanekena dia tsy haheno ny hanitry ny Paradisa, ary ny hanitry ny paradisa dia heno hatrany amin’ny halavirana dia efa-polo taona.”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 3166]

Ny fanazavana

Nambaran’ny Mpaminany mazava tsara ny fandrahonana henjana ho an'izay mamono mpanao fanekena - izany dia iray amin’ireo tsy mpino izay miditra amin’ny tanin’ny silamo miaraka amin’ny fifanekena sy filaminana – dia tsy haheno hanitry ny Paradisa izy, ary ny hanitr'izany dia heno hatrany amin'ny làlana dia tongotra efa-polo taona.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Italianina Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Voarara ny mamono mpanao fanekena, mpialokaloka, narovana avy amin'ireo tsy mpino, ary dia tena anisan'ireo fahotana lehibe izany.
  2. Ilay nanaovana fifanekena : Izy ilay tsy mpino silamo nanaovana fifanekena sy monina ao amin’ny taniny, tsy hiady amin’ny mpino silamo no sady tsy hiadian'izy ireo ihany koa. Ny "Dhimmi" (mpialokaloka): Izy no monina ao amin'ny tanànan'ny mpino silamo ary mandoa hetra aminy. Ilay narovana kosa: dia ireo niditra ny tanin'ny mpino silamo niaraka tamin'ny fanekena sy fiarovana mandritra ny fotoana voafaritra.
  3. Fampitandremana amin'ny famadihana fanekena amin'ny olona tsy mpino silamo.
Fanampiny