عن عثمان رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«خَيْرُكُمْ مَنْ تَعَلَّمَ الْقُرْآنَ وَعَلَّمَهُ».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 5027]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Outhman (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny tsara indrindra aminareo dia izay mianatra ny CORAN sy mampianatra izany amin'ny hafa".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 5027]

Ny fanazavana

Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa ny silamo tsara indrindra sy ambony indrindra eo imason'Allah dia : ireo izay mianatra ny CORAN, amin'ny famakiana azy, amin'ny fitadidiana, amin'ny famakiana tsotra, manara-dalàna ary amin'ny fandikana. ary mampianatra ny hafa ny fahalalan'ny CORAN izay ananany ary fampiharana azy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana momba ny voninahitry ny CORAN ary io no teny tsara indrindra; Satria tenin’Allah izany.
  2. Ny mpianatra tsara indrindra dia ireo izay mampianatra ny hafa, fa tsy ireo izay mametra ny fahalalana ho an'ny tenany ihany.
  3. Ny fianarana sy fampianarana ny CORAN dia ahitana ny famakina, ny dikany ary ireo lalàna mamehy azy.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (63)