+ -

عَنْ ‌عَائِشَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهَا قَالَتْ:
تَلَا رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ هَذِهِ الْآيَةَ: {هُوَ الَّذِي أَنْزَلَ عَلَيْكَ الْكِتَابَ مِنْهُ آيَاتٌ مُحْكَمَاتٌ هُنَّ أُمُّ الْكِتَابِ وَأُخَرُ مُتَشَابِهَاتٌ فَأَمَّا الَّذِينَ فِي قُلُوبِهِمْ زَيْغٌ فَيَتَّبِعُونَ مَا تَشَابَهَ مِنْهُ ابْتِغَاءَ الْفِتْنَةِ وَابْتِغَاءَ تَأْوِيلِهِ، وَمَا يَعْلَمُ تَأْوِيلَهُ إِلَّا اللَّهُ، وَالرَّاسِخُونَ فِي الْعِلْمِ يَقُولُونَ آمَنَّا بِهِ كُلٌّ مِنْ عِنْدِ رَبِّنَا وَمَا يَذَّكَّرُ إِلَّا أُولُو الْأَلْبَابِ} [آل عمران: 7]. قَالَتْ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «فَإِذَا رَأَيْتِ الَّذِينَ يَتَّبِعُونَ مَا تَشَابَهَ مِنْهُ فَأُولَئِكَ الَّذِينَ سَمَّى اللهُ، فَاحْذَرُوهُمْ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 4547]
المزيــد ...

Tatitra avy amin'i Aishat (R,D) Niteny ka nanao hoe :
Namaky i Mpaminany (S.W.A) ny andininy Soratra masina hoe : { Hoa Alladhi 'anzal a'layk Alkitàb minh àyàtom Muhkamat Hunn 'umm Alkitàb wa'ukhar Mutashàbihàt fa'amma Alladhin fÿ Qulubihim Zayghoun Fayattabio'na mà Tashàbah Minho-btigha' Alfitnat wabtigha' ta°wilihi, Wamà ya'lam ta°wilaho 'illa alllahu, Walrràsikhuna fil i'lm yaqolona àmanna bih qol kollon min i'ndy Rabbina wamà Yadhdhakkar 'illà ôlol al'albàbi } [Al i'mrän: 7] Niteny Izy hoe : Niteny ilay Irakan' i Tompo Allah (S.W,A) : " Koa raha Hitanareo izay manaraka andininy mitovitovy amin’izany, dia ireo no nolazain'i Tompo Allah, koa mitandrema amin’izy ireo ihany koa

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Namaky i Mpaminany (S.W.A) ilay andininy Soratra masina hoe : { Hoa Alladhi 'anzal a'layk Alkitàb minh àyàtom Muhkamat hunn 'umm Alkitàb wa'ukhar Mutashàbihàt fa'amma Alladhin fÿ qulubihim Zayghoun Fayattabio'na mà Tashàbah minho-btigha' Alfitnat wabtigha' ta°wilihi, Wamà ya'lam ta°wilaho 'illa Alllahu, Walrràsikhuna fil i'lm Yaqolona àmanna bih qol kollon min i'ndy Rabbina wamà Yadhdhakkar 'illà ôlol al'albàbi} [Al i'mrän: 7] amin'ny izany dia nampahafantatra i Tompo Allah fa Izy no nampidina ny Boky masina Koroany tamin'ny Mpaminaniny (S.W.A), ao amin'ireo andian'ireo ny mazava ny izay rehetra voalazany, manana heviny mazava, izay fantatra sy mazava ny fanapahan-keviny, izy ireo no niandohan’ny Boky, ary izy ireo ihany koa no fiverenana amin’ny fotoana izay mety miseho ny tsy fitovian-kevitra. Ary misy ny andininy hafa izay mety manana dikany mihoatra ny iray, izay mampisafotofoto ny hevitr'izy ireo amin'ny Olona sasany, na heverina fa misy fifandirana eo amin'izy ireo sy ny andininy hafa, dia nohazavain' I Tompo Allah ny fifandraisan'ny Olona tamin'ireo andininy ireo. Koa ireo izay manana olana amin’ny fahamarinana ny ao Am-pony, dia miala amin’ny fanapahan-kevitra hentitra Izy, ka maka izay mitovitovy sy azo atao, mikendry ny hampiahiahy sy hamitaka ny Olona dia mitady ny handika izany araka izay mifanaraka amin’ny faniriany. Fa izay miraiki-po amin'ny fahalalana kosa dia mahalala ny marina sy ny heviny ka averiny hazavainy tahaka ireo izay mazava tsara ireny ary hinoany fa avy amin'ny Tompo Allah avokoa izany, ka tsy tokony ho mampisalasala sy hifanohitra. Tsy misy mahatsapa izany afa-tsy ireo izay manana toe-tsaina madio, avy eo Nilaza i Mpaminany (S.W.A) tamin'ny maman'ireo vahoaka Mpino A'ishat (R.D) fa rehefa hitanao ireny Olona izay mpanaraka ny tsy mazava amin'ny sasany ireny, dia nantsoin'ny Tompo Allah hoe : { Fa'amma Alladhin fÿ qulubihim Zayghoun = izany hoe : Izay Olona manana olana amin'ny fahamarinana }. Koa tandremo izy ireo ary aza mihaino azy ireo.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny (Mohkam) andininy mitondra lalàna ao amin'ny Boky masina KOROANY : ireo izay mazava ny dikany ary mazava ihany koa ny heviny, ary sy ny ireo izay mitovitovy amin'izany, Ny Motashàbih kosa dia : izay mitondra dikany maro ka mitaky fandinihana sy fahazoana ny hevitra izay fonosiny.
  2. Fampitandremana amin'ny fifaneraserana amin'ireo Olona mivily lalana sy amin'ireo Olona Mpamorona sy Mpanao forona, ary amin'ireo izay miteraka olana hamitahana ny Olona sy hampisalasala azy ireo.
  3. Ary faranany ny andininy Soratra masina miaraka amin'ny Teniny manao hoe : { Ary tsy misy mahatsiaro an'izany afa-tsy ireo izay manana Saina } mampiharihary ireo izay mivily làlana, ary midera ireo izay efa miorina mafy amin'ny fahamarinana, izany hoe : Izay tsy mahatsapa sy mahazo lesona, ka nanaraka ny sitrapony dia tsy anisan'ireo Olona sy vahoaka manan-tsaina.
  4. Fanarana ireo izay maro heviny sy mitovitovy ireny dia antony iray lehibe ahatonga ny amin'ny fivilian'ny Fô.
  5. Voadidy ny famerenana ireo andininy Soratra masina izay mitovitovy manoloana an'ireo andininy izay tena mazava tsara.
  6. Nataon'i Tompo Allah ny ampahany amin'ny Boky masina Koroany dia Mohkam (Mazava ny heviny) ary ny ankilany dia Motashàbih (Mitovtovy hevitra); dia fitsapana ho an'ny Olona mba hanavahana ny Olona Mpino amin'ireo Olona diso lalana.
  7. Ny fisehoan'ny fitoviana ao amin'ny Boky masina KOROANY : Mampiseho ny fahombiazan'ny Manam-pahaizana amin'ny hafa, ary mampahafantatra ny saina ny kilemany, mba hilefitra amin'ny tsy fananan-tsiny sy hanaiky ny tsy fahafahany.
  8. Fahasoavan'ireo Mpifikitra amin'ny fahalalana ary ny tokony hifikirana ny amin'izany.
  9. Ho an'ireo Mpanao tafasiry dia mijanona kely eo amin'ny Tenin'i Tompo Allah : { Wamà ya'lam ta°wilaho 'illa Allloahou, Walrràsikhuna fil i'lm = Ary tsy misy mahalala ny heviny afa-tsy Zanahary sy ireo izay miorina mafy amin'ny fahalalana } dia manana dikany roa, izay mijanona amin'ny teny hoe : Tompo Allah, ka ny dikany amin'ny hoe : Ta°wil dia fahalalana mahakasika zavatra iray sy ny momba Azy ary ireo zavatra tsy azo tanteraka ny dikany tahaka ny fofon'aina sy ny Andro farany sy izay nosafidian'i Tompo Allah ho an'ny Tenany ny fahalalana, fa izay Mpifikitra amin'ny fahalalana dia mino izany ary mametraka ny momba izany any amin'ny Tompo Allah ka lasa manetry tena feno. Fa izay tsy mijanona kosa fa mila mihoatra dia ny dikany Ta°wil dia famahana sy sy famelabelarana, amin'ny izany dia i Tompo Allah mahalala avy eo ireo Mpifikitra koa nomena fahalalana mahakasika izany, ka hinoan'izy ireo ary natambatr'izy ireo amin'ny Mohkam.