+ -

عَنْ ‌عَائِشَةَ رضي الله عنها:
أَنَّ رَجُلًا قَعَدَ بَيْنَ يَدَيِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللهِ، إِنَّ لِي مَمْلُوكِينَ يَكْذِبُونَنِي وَيَخُونُونَنِي وَيَعْصُونَنِي، وَأَشْتُمُهُمْ وَأَضْرِبُهُمْ، فَكَيْفَ أَنَا مِنْهُمْ؟ قَالَ: «يُحْسَبُ مَا خَانُوكَ وَعَصَوْكَ وَكَذَّبُوكَ وَعِقَابُكَ إِيَّاهُمْ، فَإِنْ كَانَ عِقَابُكَ إِيَّاهُمْ بِقَدْرِ ذُنُوبِهِمْ كَانَ كَفَافًا، لَا لَكَ وَلَا عَلَيْكَ، وَإِنْ كَانَ عِقَابُكَ إِيَّاهُمْ دُونَ ذُنُوبِهِمْ كَانَ فَضْلًا لَكَ، وَإِنْ كَانَ عِقَابُكَ إِيَّاهُمْ فَوْقَ ذُنُوبِهِمُ اقْتُصَّ لَهُمْ مِنْكَ الْفَضْلُ»، قَالَ: فَتَنَحَّى الرَّجُلُ فَجَعَلَ يَبْكِي وَيَهْتِفُ، فَقَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «أَمَا تَقْرَأُ كِتَابَ اللهِ: {وَنَضَعُ الْمَوَازِينَ الْقِسْطَ لِيَوْمِ الْقِيَامَةِ فَلا تُظْلَمُ نَفْسٌ شَيْئًا}، الْآيَةَ»، فَقَالَ الرَّجُلُ: وَاللهِ يَا رَسُولَ اللهِ، مَا أَجِدُ لِي وَلهُمْ شَيْئًا خَيْرًا مِنْ مُفَارَقَتِهِمْ، أُشْهِدُكَ أَنَّهُمْ أَحْرَارٌ كُلُّهُمْ.

[ضعيف] - [رواه الترمذي] - [سنن الترمذي: 3165]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Aisha (R.D) fa hoe :
Misy Lehilahy iray nipetraka teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W,A) ary Niteny Taminy ny hoe : O ! Ry iraka mahafatokin'i Tompo Allah, manana andevo roa Aho, mandainga Amiko, ary mamitaka Ahy, no sady tsy manaja Ahy, ka miteny ratsy amin'izy ireo Aho sy mikapoka azy ireo, ahoana ny toerana misy Ahy ?. Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Tsaraina amin'ny fitaka sy fikomiana ary ny lainga nataon'izy ireo ary ny fanasazina izay nataonao tamin'izy ireo raha toa ka mifandanja amin'ny fahadisoan'izy ireo ny sazy nataonao tamin'izy ireo dia efa ampy izany tsy misy tombony ho Anao na koa hahavoa Anao, fa raha latsakan'izay nataondreo dia hahazoanao valisoa, fa raha mihoatra ny nataon'izy ireo ny sazy izay Nataonao dia ho tsaraina Ianareo ka hefainao ny mihoatra amin'izany ,". Nisitaka ilay Lehilahy ka nitomany, avy eo Niteny i Mpaminany (S.W.A) : Ianao ve tsy namaky ilay Teniny masinan'i Tompo Allah { Hapetrakay ny Mizana marina amin'ny Andro farany tsy hisy Olona ho tratran'ny fitongilanana na kely aza }, ny andininy Soratra masina hoe ". Niteny ilay Olona hoe O ! Ry Irakan' i Tompo Allah, tsy hitako izay tsara ho Ahy na ho azy ireo afa-tsy ny misaraka Aminy, mijoro ho vavolombelona Aminao Aho fa avelako izy rehetra.

[Malemy] - [Notantarain'i Al-Tirmizì]

Ny fanazavana

Tonga lehilahy iray nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny fihetsik'ireo andevo roa ireo, mandainga amiko, mamitaka ahy, ary tsy manaja ahy, ka miteny ratsy amin'izy ireo aho ary kapoiko, ahoana ny toerako amin'izany?, Namaly izy : "@ Tsaraina amin'ny fitaka sy fikomiana ary ny lainga nataony izy ireo ary hotsaraina amin'ny fanasazina izay nataonao tamin'izy ireo kosa ianao. Ka raha ny sazy izay nataonao tamin'izy ireo mifanaraka tamin'ny fahadisoan'izy ireo dia efa hampy izany tsy misy ho anao na koa havoa anao, fa raha latsakan'izay nataon'izy ireo dia hahazoanao valisoa, fa raha mihoatra ny nataon'izy ireo ny sazy izay nataonao dia ho tsaraina ianareo ka ho efainao ny mihoatra amin'izany,". Nisitaka ilay lehilahy ka nitomany, avy eo Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : Tsy novakinao va ilay tenin'ny Allah hoe : {Hapetrakay ny Mizana marina amin'ny andro farany tsy hisy olona ho tratran'ny fitongilanana na kely aza}. [Al- Anbia : 47] , Ka tsy hisy fanambakana mihitsy amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, ary ho marina avokoa ny fifandanjana , ka niteny ilay olona hoe o! Ry irak'Allah tsy mahita ny soa amiko sy eo amin'izy ireo aho ka aleoko ny misaraka amin'izy ireo, Mijoro ho vavolombelona aminao aho fa avelako afaka izy rehetra noho ny amin’i Tompo Allah. Tahotra ny amin'ny hotsaraina sy hampijalina.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Aigoria Bengaly Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Soedianina Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria Keniaroandia Tsekianina Italianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Marina ilay Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W,A) amin'ny famelany ireo andevony nohon'ny fatahorany an'ilay famaizana sy sazin'i Tompo Allah.
  2. Ny valifaty sy famaizana avaly amin'ny mpampahory, raha mitovy na latsaka noho ny habetsahan'ny tsy rariny, dia azo atao, fa raha mihoatra dia voarara.
  3. Famporisihana amin'ny fitondrana tsara ireo mpanampy sy ny marefo.