عَنْ ‌قَتَادَةَ رحمه الله قال:
حَدَّثَنَا ‌أَنَسُ بْنُ مَالِكٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ أَنَّ رَجُلًا قَالَ: يَا نَبِيَّ اللهِ كَيْفَ يُحْشَرُ الْكَافِرُ عَلَى وَجْهِهِ؟ قَالَ: «أَلَيْسَ الَّذِي أَمْشَاهُ عَلَى الرِّجْلَيْنِ فِي الدُّنْيَا قَادِرًا عَلَى أَنْ يُمْشِيَهُ عَلَى وَجْهِهِ يَوْمَ الْقِيَامَةِ؟» قَالَ قَتَادَةُ: بَلَى وَعِزَّةِ رَبِّنَا.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6523]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Katàdat (R.A) Niteny hoe :
Nitantara Taminay i Anas ibn Màlik (R.A) fa nisy Lehilahy iray Niteny hoe : O ! Ry Mpaminan'i Allah ahoana ny fomba hahafan'ny Mpikomy handea amin'ny tarehiny ? Namaly azy i Mpaminany (S.A.W) fa hoe : " moa va ilay nampandeha Azy tamin'ny tongony roa tsy hahavita hampandeha Azy indray amin'ny tarehiny amin'ny Andro farany " ka Hoy i Qatada (R.A) : Eny, noho ny voninahitry ny Tompontsika izany.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 6523]

Ny fanazavana

Nanontaniana i Mpaminany (S.A.W) ahoana no hahafan'ny Mpikomy handea amin'ny tavany amin'ny Andro farany? ! Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : moa va tsy ilay nahavita nampandeha Azy tamin'ny tongony roa teto an-tany ihany no mahavita ihany koa mampandeha Azy amin'ny tarehiny amin'ny Andro farany? ! Fa i Tompo Allah no Tompo Mahefa ny zava-drehetra.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fahafaham-baraka ho an'ireo tsy Mpino amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, ary handeha amin’ny tavany izy ireo.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (65)