+ -

عن أنس بن مالك رضي الله عنه:
أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ وَمُعَاذٌ رَدِيفُهُ عَلَى الرَّحْلِ قَالَ: «يَا مُعَاذُ بْنَ جَبَلٍ»، قَالَ: لَبَّيْكَ يَا رَسُولَ اللهِ وَسَعْدَيْكَ، قَالَ: «يَا مُعَاذُ»، قَالَ: لَبَّيْكَ يَا رَسُولَ اللهِ وَسَعْدَيْكَ، ثَلَاثًا، قَالَ: «مَا مِنْ أَحَدٍ يَشْهَدُ أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللهِ صِدْقًا مِنْ قَلْبِهِ إِلَّا حَرَّمَهُ اللهُ عَلَى النَّارِ»، قَالَ: يَا رَسُولَ اللهِ، أَفَلَا أُخْبِرُ بِهِ النَّاسَ فَيَسْتَبْشِرُوا؟ قَالَ: «إِذًا يَتَّكِلُوا». وَأَخْبَرَ بِهَا مُعَاذٌ عِنْدَ مَوْتِهِ تَأَثُّمًا.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 128]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) :
Nitaingina biby i Mpaminany (S.W.A) niaraka tamin'i Mouaz Ibn Jabal tao aoriany, ka hoy izy : "O! Ry Moa'zh ibn Jabal" Namaly izy hoe: "Eny mihaino anao aho ry irak'i Allah!". Naveriny in-telo izany, avy eo dia niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : " Tsy misy olona mijoro ho vavolombelona marina avy ao am-pony fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mouhammad no irak'Allah, afa-tsy ataon'i Allah fady azy ny Afobe". Hoy i Mouaz : "Holazaiko amin'ny olona ve izany mba hahafaly azy ireo?". Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : “Sao dia lasa miantehitra amin'izany izy ireo”. Dia nolazain'i Muaz ihany izany talohan'ny nahafatesany mba tsy ho tsiny aminy.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Indray Andro i Muaz bin Jabal (R.A) no nitaingina ny bibiny tao aorian'ny Mpaminany (R.A), ary niantso azy izy i Mpaminany hoe: Ry Muaz? Naveriny intelo ny antsony, ho fanamafisana ny maha zava-dehibe izay holazainy aminy.
Ary izany rehetra izany novalin'i Moa'zh (R.A) amin'ny teniny manao hoe : " Eny ry Irak'i Allah, Mihaino anao aho" izany hoe : hamaly antsonao Aho ry Iraki Allah hamaly antso isaky ny miantso, ary mitady fahasambarana amin'ny famalina ny antso.
Nilaza taminy Mpaminanyi (S.W.A) fa izay mijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Allah, izany hoe : Tsy misy Tompo mendrika hotompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany, ary i Mohammad (S.W.A) dia Irak'Allah, marina ao am-pony tsy misy lainga, ka raha maty amin'izany teny izany izy dia ataon'i Allah fady aminy ny Afobe.
Ka nanontany azy i Moa'zh (R.A) i Mpaminany (S.W.A) mba hanambara izany amin'ny olona rehetra mba hahafaly azy ireo?
Natahotra i Mpaminany (S.W.A) sao dia hananki-doha amin'izany, ka lasa hampihena ny asa ataon'izy ireo.
Ka tsy niresahan'i Moa'zh izany raha tsy fotoana kely talohan'ny nahafatesany; fatahorany amin'ny fanafenana ny fahalalana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanetre-tenan'ny Mpaminany (S.W.A) amin'ny fitondrany an'i Moa'zh (R.A) tao aoriany amin'ny biby fitainginy.
  2. Fomba fampianaran'ny Mpaminany (S.W.A), amin'ny famerimberenany ny fiantsona an'i Moa'zh (R.A) mba hanamafy ny fihainoany izay zavatra tiany ho lazaina.
  3. Inisan'ireo fepetra amin'ny fijorona vavolom-belona dia : Tsy misy Tompo afa-tsy i Allah ary i Mohammad (S.W.A) no Irak'Allah, Dia tenenina am-pahamarinana sy azo antoka tsy misy lainga na fisalasalana.
  4. Tsy hiaina mandrakizay ao amin’ny afon’ny helo ny olona mpanokana an'i Allah, na dia miditra ao aza izy ireo noho ny fahotany; dia esorina ao rehefa avy nodiovina.
  5. Fahasoavan'ny fijoroana vavolom-belona roa ho an'izay nilaza izany am-pahamarinana tao am-po.
  6. Azo atao indraindray ny tsy miresaka Hadith raha hita fa mety hampiteraka voka-dratsy.