+ -

عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ عَمْرٍو رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«المُسْلِمُ مَنْ سَلِمَ المُسْلِمُونَ مِنْ لِسَانِهِ وَيَدِهِ، وَالمُهَاجِرُ مَنْ هَجَرَ مَا نَهَى اللَّهُ عَنْهُ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 10]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abdillahi bin A'mro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny mpino silamo dia izay mampilamina ny mpino silamo namany amin'ny lelany sy ny tanany, ary ny mpifindra monina dia izay nisitaka ireo zavatra noraran'Allah."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nanambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny tena mpino silamo manampinoana dia ny olona izay miaro ny lelany amin'ny mpino silamo namany, tsy manompa azy ireo, tsy manozona azy ireo, tsy mifosa azy ireo, ary tsy miezaka ny hanimba azy ireo amin'ny fomba rehetra manimba amin'ny alalan'ny lelany. Ary miaro azy ireo amin'ny tànany, ka tsy miady aminy, na maka ny volany amin'ny fomba tsy ara-dalàna, na izay mitovy amin'izany. Ny mpifindra monina dia ny olona mandao izay noraran'Allah Tsitoha.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahafenoan'ny finoana dia tsy ho tanteraka eo amin'ny olona iray raha tsy amin'ny tsy fahavoazana ratsy hafa, na ara-materialy izany na ara-moraly.
  2. Voatonona manokana ny lela sy ny tànana eto; noho ny fahadisoany sy ny fahasimbany maro aterany, satria ny ankamaroan'ny faharatsiana dia mipoitra avy amin'izy roa.
  3. Famporosina ny olona hiala amin’ny fahotana sy hifikitra amin’izay nandidian’Allah Tsitoha.
  4. Ny mpino silamo tsara indrindra dia izay manatanteraka ny zon'Allah Tsitoha sy ny zon'ny mpino silamo.
  5. Ny fanaovana ratsy dia mety miseho amin'ny teny na amin'ny fihetsika.
  6. Ny fifindra-monina feno sy tena izy dia ny fialana amin’izay nandraran’Allah Tsitoha.