عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، قَالَ:
«إِذَا جَاءَ رَمَضَانُ فُتِّحَتْ أَبْوَابُ الْجَنَّةِ، وَغُلِّقَتْ أَبْوَابُ النَّارِ، وَصُفِّدَتِ الشَّيَاطِينُ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 1079]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) :
"Rehefa tonga ny Ramadany, dia misokatra ny vavahadin'ny Paradisa, mihidy ny vavahadin'ny helo, ary mifatotra ny devoly."
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 1079]
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa rehefa manomboka ny volana Ramadany dia zavatra telo no hitranga : Ny voalohany : Mivoha ny varavaran’ny Paradisa, ka tsy misy varavarana na dia iray aza mihidy. Ny faharoa : Mihidy ny varavaran'ny helo ary tsy misy varavarana misokatra na dia iray aza. Ny fahatelo : Ny devoly sy ny jiny dia mifatotra amin'ny rojo vy, ka tsy mahavita izay vitany amin'ny fotoana hafa ankoatry ny Ramadany. Izany rehetra izany dia fanomezam-boninahitra an’io volana io, ary famporisihana ho an’izay manao asa soa, toy ny fivavahana, ny fiantrana, ny fahatsiarovana, ny famakiana ny CORAN, sy ny sisa. Ary amin’ny fanalavirana ny fahotana sy ny fandikan-dalàna.