عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«مَنْ صَامَ رَمَضَانَ إِيمَانًا وَاحْتِسَابًا غُفِرَ لَهُ مَا تَقَدَّمَ مِنْ ذَنْبِهِ»

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 38]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Huorairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny Fo feno finoana sy fanantenana valisoa amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany teo aloha".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 38]

Ny fanazavana

Mampafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa izay nifehy mandritra ny volana Ramadany tamin'ny finoana feno an'i Allah, ary mino ny maha voadidy ny fifehezana sy izay fampanantenana omen'i Allah azy amin'ny valisoa lehibe sy ny hatsarana, nataony noho i Allah ilay Avo Tsitoha, tsy misy fireharehana na fisehosehoana, dia ho fafan'i Allah avokoa ireo fahotana rehetra izay efa lasa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fahasoavan'ny fahadiovam-po sy ny maha zava-dehibe izany amin'ny fifehezana Ramadany ary ny ankoatr'izany amin'ireo asa soa rehetra.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (67)