+ -

عن أَبِي مُوسَى الأَشْعَرِيِّ رضي الله عنه: أَنَّ رَسُولَ اللهِ صلى الله عليه وسلم قَالَ:
«مَنْ صَلَّى ‌الْبَرْدَيْنِ دَخَلَ الْجَنَّةَ»

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 574]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa Al-Ash'ari (R.A), niteny ilay Irak'Allah (S.W.A) manao hoe :
"Izay nanao vavaka amin'ny fotoana mangatsiatsiaka roa dia miditra amin'ny Paradisa".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 574]

Ny fanazavana

Namporisika ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fahazotoana manao vavaka amin'ny fotoana mangatsiatsiaka roa, izany dia Fajr sy Asr, ary nanome vaovao mahafaly ho an'izay manatanteraka izany amin'ny zony feno eo amin'ny lafiny fotoana sy miaraka amin'ny maro sy ny hafa ankoatr'izany, ny fanaovany izany dia antony hidirany amin'ny Paradisa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fahasoavana azo amin'ny fifikirana amin'ny vavaka Fajr sy Asr; satria amin'ny fajr dia ao anatin'ny tsiron'ny torimaso, ary ny Asr dia ao am-panatanterahana ny raharaham-pivelomana, ka izay mifikitra amin'izy roa dia azo antoka kokoa hifikitra amin'ny vavaka sisa ambiny.
  2. Nantsoina hoe mangatsiatsiaka ny vavaka fajr sy Asr; satria ny Fajr ahitana atsiakan'ny alina, ary ny Asr ahitana atsiakan'ny atoandro, na dia amin'ny fotoana mafana aza fa io fotoana io mba efa malefaka kokoa ny hafanany raha oharina amin'ny teo alohany, na koa fiantsoana azy tahaka izany dia noho ny fanakambanana fotsiny toy ny fitenenana hoe : ny volana roa izay ilazana ny masoandro sy ny volana.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana الموري Oromianina Kanadianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny
Fanampiny