+ -

عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بِن مَسْعُودٍ رضي الله عنه قَالَ:
سَأَلْتُ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: أَيُّ العَمَلِ أَحَبُّ إِلَى اللَّهِ؟ قَالَ: «الصَّلاَةُ عَلَى وَقْتِهَا»، قَالَ: ثُمَّ أَيٌّ؟ قَالَ: «ثُمَّ بِرُّ الوَالِدَيْنِ» قَالَ: ثُمَّ أَيٌّ؟ قَالَ: «الجِهَادُ فِي سَبِيلِ اللَّهِ» قَالَ: حَدَّثَنِي بِهِنَّ، وَلَوِ اسْتَزَدْتُهُ لَزَادَنِي.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 527]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abdollahi bin Maso’di (R.A) niteny izy:
Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) aho hoe : asa inona no tena tian'Allah? Hoy izy : “Ny fivavahana amin’ny fotoana voatondro” Hoy izy : Inona aorian'izany? Namaly izy : “ny fanaovan-tsoa amin’ny ray aman-dreny.” Hoy izy : “Dia inona aorian'izany? namaly izy : “Jihad amin’ny làlan’Allah.” Hoy izy : Ireo no nambarany ahy, ary raha mbola nitady fanampiny taminy aho, dia nanampiany.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 527]

Ny fanazavana

Nanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Inona no asa tian’Allah indrindra? Namaly izy : Ny vavaka tsy maintsy atao amin’ny fotoana voatondron’ny lalàna. Avy eo, fanajana ray aman-dreny amin’ny fanehoana hatsaram-panahy aminy, amin’ny fanatanterahana ny zony, ary amin’ny fialana amin’ny tsy fanajana azy. Avy eo dia ny jiady amin'ny làlan'Allah, mba hanandratana ny tenin'Allah ilay Tsitoha, hiaro ny finoana silamo sy ny vahoakany, ary haneho ny fombafombany, amin'ny vatana sy ny vola.
Niteny Ibn Mas’od 'R.A) : Lazao ahy ireo asa ireo; Ary raha mbola niteny taminy aho hoe : inona no aorian'izany? dia nampiany hatrany izy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Alimanina Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina الموري Oromianina Kanadianina الولوف Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha ngeza kokoa ny asa noho ny hafa dia arakaraky ny fitiavan’Allah azy.
  2. Famporisihana ny mpino silamo hiezaka hanao ny asa tsara kokoa sy ny tsara indrindra.
  3. Ny valin-tenin’ny Mpaminany (S.A.W) momba ny asa tsara indrindra dia miovaova arakaraka ny fahasamihafan'ny olona sy ny toe-javatra misy azy, ary araka izay mahasoa kokoa ny tsirairay amin'izy ireo.
Fanampiny