عن جابر بن عبد الله رضي الله عنهما عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«كُلُّ مَعْرُوفٍ صَدَقَةٌ».

[صحيح] - [رواه البخاري من حديث جابر، ورواه مسلم من حديث حذيفة] - [صحيح البخاري: 6021]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Jàbir bin Abdillah (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
" Ny asa tsara rehetra dia fanomezana".

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Bokhari avy amin'ny hadith-n'i Jabir, ary notantarain'ny Moslim avy amin'ny hadith-n'iHodhayfah] - [Sahìh Al-Bokhari - 6021]

Ny fanazavana

Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa ny asa soa rehetra sy izay mahasoa ny hafa, amin'ny teny na amin'ny fihetsika dia fanomezana, ary mitondra valisoa sy hatsarana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fanomezana dia tsy voafetra amin’izay avoakan’ny olona amin’ny volany, fa tafiditra ao anatin’izany ny zavatra tsara rehetra ataon’ny olona na izay nolazainy sy ampitainy any amin’ny hafa.
  2. Mampirisika ny olona hanao ny soa sy izay rehetra mahasoa ny hafa ihany koa.
  3. Tsy ny manao tsinontsinona ireo asa soa na dia kely sy maivana aza.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (67)