عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«حَقُّ الْمُسْلِمِ عَلَى الْمُسْلِمِ سِتٌّ» قِيلَ: مَا هُنَّ يَا رَسُولَ اللهِ؟، قَالَ: «إِذَا لَقِيتَهُ فَسَلِّمْ عَلَيْهِ، وَإِذَا دَعَاكَ فَأَجِبْهُ، وَإِذَا اسْتَنْصَحَكَ فَانْصَحْ لَهُ، وَإِذَا عَطَسَ فَحَمِدَ اللهَ فَسَمِّتْهُ، وَإِذَا مَرِضَ فَعُدْهُ وَإِذَا مَاتَ فَاتَّبِعْهُ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2162]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Zon'ny mpino silamo amin’ny silamo namany dia enina”. Nisy nilaza hoe : Inona àvy izy ireo ry irak’Allah? Dia namaly izy hoe : “Raha mifanena aminy ianao dia arahabao izy, ary rehefa manasa anao izy dia valio, ary raha mitady torohevitra izy dia toroy hevitra, ary raha mievina izy dia miderà an’I Allah dia tohano, ary raha marary izy dia tsidiho, ary raha maty izy dia manaraha ny fatiny mba handevina azy”.
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2162]
Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa manana zo enina amin'ny rahalahiny silamo ny silamo namany : Ny voalohany : Miarahaba azy rehefa mihaona aminy ka miteny hoe : Assalam Alaikom - Fiadanana ho anareo. Ary mamaly ny fiarahabana ilay namany ka miteny hoe : Wa alaikom salam - Ary fiadanana ihany koa anie ho anareo. Faharoa : Famaliana ny fanasany raha manasa azy amin’ny fisakafoana na zavatra hafa. Fahatelo : Omeo torohevitra izy raha mangataka izany, ary aza mandoka azy na mamitaka azy. Fahefatra : Raha mievina izy ka miteny hoe : Alhamdolillahi - Isaorana anie Allah, dia tohano ka teneno hoe : Yarhamokallah- hamindra fo aminao anie Allah, ary hamaly izy hoe : YahdikomollahoWa yoslih Balakom - Allah anie hitari-dàlana anao sy hampitony ny sainao. Fahadimy : Tsidiho ary vangio izy raha marary. Fahaenina : Manao soalat aminy raha maty ary manaraka ny fatiny mandram_pandevenana azy.