+ -

عَنْ ‌أُبَيِّ بْنِ كَعْبٍ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«يَا أَبَا الْمُنْذِرِ، أَتَدْرِي أَيُّ آيَةٍ مِنْ كِتَابِ اللهِ مَعَكَ أَعْظَمُ؟» قَالَ: قُلْتُ: اللهُ وَرَسُولُهُ أَعْلَمُ. قَالَ: «يَا أَبَا الْمُنْذِرِ، أَتَدْرِي أَيُّ آيَةٍ مِنْ كِتَابِ اللهِ مَعَكَ أَعْظَمُ؟» قَالَ: قُلْتُ: {اللهُ لا إِلَهَ إِلا هُوَ الْحَيُّ الْقَيُّومُ} [البقرة: 255]. قَالَ: فَضَرَبَ فِي صَدْرِي، وَقَالَ: «وَاللهِ لِيَهْنِكَ الْعِلْمُ، أَبَا الْمُنْذِرِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 810]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Obay ibn Ka'b (R.D), Niteny ilay Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) fa hoe :
" O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy tena lehibe indrindra ao amin'ny Bokin'I Tompo Allah ? " Namaly Izy ka nanao hoe : Niteny Aho : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no Mahalala an'izany. Niteny Izy hoe :" O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy lehibe indrindra ao amin'ny Bokin'i Tompo Allah ? " Namaly Izy hoe : Niteny Aho : { Alloahou Là ilàha illà howal hay-youle- Qayuòmou } [Al-bakarat: 255]. Nilaza Izy ary nikapohiny kely ny Tratrako, ary Nilaza Izy hoe : " Hitoetra am-pahasambarana tsara ao Am-ponao anie ny fahalalana ry Abal-Monzhir ".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Nanontanian'ny Mpaminany (S.W.A) i Obay ibn Ka'b momba ny andininy ao anatin'ny Bokin'i Tompo Allah, dia nisalasala Izy tamin'ny valiny, avy eo Izy dia Niteny hoe : Ayat Al-Korsy : { Alloahou Là ilàha illà Howale hayuole Qayuòmo }, nanampy Azy i Mpaminany (S.W.A) ary nidomin'ny Mpaminany (S.W.A) tamin'ny Tratrany ho fampahafantarana fa feno fahalalana sy ny fahendrena ny Tratrany, ary nangataka Douan ho Azy mba ho sambatra amin'ny alàlan'ny fahalalana io ary hanamaivana Aminy avokoa izany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fahombiazana lehibe anie ho an'i Ubayy ibn Ka'b (R.D).
  2. Ayatoule Al-Korsy dia lehibe indrindra amin'ireo andinin'ny ao amin'ny bokin'i Allah, ka tokony ho hay tsianjery ary ampiharana avokoa ny dikany.